Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Etraketraka sa filandratsy tsotra izao ?
  Tovolahy 20 taona nanolana zazavavy kely vao 11 taona tetsy Bazary may Ankirihiry Toamasina
  Araka ny fitantaran’ity zazavavy kely vao 11 taona monja ity dia norahonana’ity tovolahy ity izy tsy hiteniteny amin’ny reniny fa raha tsy izany dia ho vonoiny ary ariany avy eo,

« zaho avy niatra andeha hanatitra cartable iny dia nosamboriny za dia nisy antsy teny antanany, dia hoy izy hoe ianao raha mikiaka dia vonoiko amin’ity antsy ity rehefa maty ianao dia ariko any anaty ala sady nokendainy aho dia nataony ny zavatra nataony tamiko »

io no nambaran’ity zazavavy kely ity raha tafaresaka taminy, fa araka ny fanazavan’ny reniny kosa dia vokatr’io fampitahorana nahazo io zaza io dia tena tsy nahasahy nitaraina mihitsy ny zanany, ny nahafantarana izao tranga izao dia ny mpanabe tany ampianarana satria mivoaka mipipy lava ity zazavavy kely ity ka farany izany dia narahin’ny mpampianatra, rehefa izany dia nojerena ny silipon’ilay zaza ka hita tamin’izany fa ohatran’ny misy nana mivoaka amin’ny fivavian’ity zazavavy kely ity, teo vao natao ny fanadihadina ka fantatra tamin’izany fa tovolahy iray 20 taona olona mpiray vodi-rindrina amin’izy ireo ihany, etsy Bazary may Ankirihiry no tompomarika tamin’ ity habibina ity.

Efa eo ampelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ary efa voasambotra ihany koa ny nanao ny fanolanana, ka araka ny nambaran’ny Commissaire divisionnaire Atoa RAMILISON Célestin dia, atao ny famotorana ary tsy maintsy atolotra ny fisarana ity nahavanin-doza ity.
 
(53) Lantomalala S. - Marcelline V. : 05-06-2014 - 19:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image