Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fankalazana ny iray volana ho any ankizy
  Filaharana sy fampisehoana nataon’ireo Ankizy teto Toamasina
  Ankizy madinika miisa 11000 avy amin’ny sekoly enina amby enipolo no nandray anjara tamin`ny fankalazana ny iray volana ho any ankizy, izay natao tetsy amin`ny kianja ny municipale Toamasina ny androny zoma, faha 6 jona 2014, lasa teo.

Ny volana jona dia volana natokana ho iray volana ho any ankizy madinika. Nanamarika izany iray volana ho an’ny ankizy izany ny kilonga madinika teto Toamasina, izay nokarakarain’ny AECAPTO tao amin`ny kianja ny municipale Toamasina, ny zoma, 6 jona 2014.
Ny lohahevitra nitsoahana tamin`ny izany dia
“Ny fiarovana ny ankizy amin`ny ireo fomba mampanao sy kolotsaina manimba ny andraikitra iombonana”.
Io no teny filamatra izay noentina nankalaza an’izany iray volana ho any ankizy tamin`ny ity taona Ity. Tonga nanome voninahitra an’izany ny mpitondra fanjakana teto antoerana, izay notarihin’ny Atoa TALATA Michel. Kabary nifandimbiazan’ny ireo manampahefana sy ny olona nasaina no nanombohana ny lanonana, nitohizana ny lanonana tamin’ny filaharam-ben’ny Ankizy tao amin`ny kianja ny municipale Toamasina ary nofaranana tamin`ny fampisehoana dihy mirindra izay nataon’ ireo ankizy.
 
(54) Anderson RAVO : 09-06-2014 - 08:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image