Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Dian’ny Filoham-pirenena sy ireo minisitra maro teto Toamasina
Fitokanana ireo asa vita sy fotodrafitr’asa maro
Nigadona androany, zoma 20 jona, teto tamin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy TOAMASINA, tokony tamin’ny 10 ora latsaka fahefany teo ny fiaramanidina nitondra ny filoham-pirenena Malagasy Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, hitokana ireo fotodrafitr’asa maro, toy ny lalana : Rue de Commerce, Rue Michel Mahazo, Rue Jean Jack Rousseau; teo ihany koa ny tsenan’ny Bazary Be ary hijery akaiky ireo asa efa vita sy fametrahana vato fehizoro ho fanohizana ny fanitarana sy fanatsarana ny seranan-tsambon’I Toamasina.
Nanamarika izany ihany koa ny fahatongavan’ireo minisitra maro.

Tamin’ny fitokanana ireo lalana dia nanambara ny minisitry ny asa vaventy Atoa Roland RATSIRAKA fa nanao ezaka izy ireo tao anatin’ny 61 andro tamin’ny fanatsarana ny lalana teto Antampotananan’I Toamasina, isan’izany ny lalana miainga avy amin’ny 3 chemins mampisaraka ny Ankirihiry sy Valpinson na Café d’or teo aloha izay mihazo ny rond-point Tanamakoa.
Teo ihany koa ny lalana mihazo ny Tanamakoa mandalo eo manoloana ny Lycée Technique hatrany amin’ny Eglise Sacré Coeur. Nanampy ny filoha Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa tsy afa misaraka ny lalana sy ny fampandrosoana satria tsy ho tafavoaka ny vokatra raha tsy vita ny lalana, ary nitohy tamin’ny fitokanana ny Bazary Ben’I Toamasina izany.

Vita ny fanatsarana ny Bazary Ben’I Toamasina izay efa simba nandritry ny fotoana naharitra. Mirefy 5300m2, mahazaka mpivarotra 750 ny tsena vaovao. Efa maro ireo olana nondalovan’ity tsena ity, ireo rivodoza, ny fahamaizana sns… ka izao notokanana ny zoma 20 jona 2014 izao.

Nanambara ny filoham-pirenena Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao anaty kabary nataony fa tsena tsara, moderina, tsy mena-mitaha any amin’ny firenena mandroso ary maneho ny fiarahamiasan’ ny fanjakana sy ny orin’asa tsy miankina izao tsena izao, orin’asa Ambatovy no nanao fandaniana rehetra izay mitentina 8 800 000 000 Ariary.

Nitohy tamin’ny fitokanana ny asa fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’I Toamasina, izay nandaniana vola mitentina 37 116 495 500 Ariary tamin’ny fanavaozana. Tanteraka ny asa hoy ny filoha Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ho tombontsoan’ny vahoaka. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny SPAT fa manaraka ny fandrosoana ny Port Toamasina ankehitriny satria nitarina 17Ha, nampiana ihany koa ny jiro nanazava amin’ny alina.
Prud′Homme RAKOTOSON : 20-06-2014 - 19:15
Hay trano tao Dépot, Toamasina
Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.
JoelK : 17-08-2018 - 15:15... Lire la suite

 

Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Nom de l'image