Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Haitrano tao Mangarano II
  Tsy nisy antoerana ny tompotrano
  Nitrangan’ny haintrano io maraina io, talata 8 jolay 2014, tao amin’ny Fokontany Mangarano II, manoloana ny lapan’ny faritra Atsinanana ao Mangarano, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo.
Trano iray mihefitra 5 no saika kilan’ny afo miaraka amin’ny entana tao anatiny. Mpianatra mandranto fianarana ao amin’ny Anjery manontlo Barikadimy no mipetraka amin’ilay trano nolalovan’ny afo io.
Fotoam-pialantsasatra izao any ka lasa nanao fialantsasatra any amin’ny faritra avokoa ny mpianatra mipetraka amin’io trano io, ka nampanano sarotra ny famonoana ny afo vokatry ny fihidin’ny trano.

Araka ny fanambaranan’ny olona nahita ny fiandohan’ny afo dia ny circuit électrique no nahatonga sy nihadohan’ny afo..

Voafehy tamin’ny fotoana nampihorohoro ihany mao ny loza na dia samba tamin’ny ampahany aza ny trano sy ny fitaovana tao anatiny, vokatry ny firaisan-kinan’ny mpiara-belona, ary ny mpamonjy voina.
 
(60) Erino RAZAFIMANANA : 08-07-2014 - 18:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image