Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Nangingina ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Mponina
  Betsaka ny olona nasaina tsy tonga
  Androany faha 11 jolay no ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina. Nanamarika izany isika teto Madagasikara, ka tany amin’ny Distrika Manankara, faritra Atsimo Atsinanana no fankalazana nasionaly.
Fa ho antsika aty amin’ny faritra Atsinanana dia teto Toamasina no nanamarihana izany, tao amin’ny fiadidiam-paritry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Atsinanana. Nosafidian’ny fitondram-panjakana fohibe ny lohahevitra ” Ampanjariana ny tanora ho antoky ny ho avy”
Nohon’ny antony iaraha-mahalala fa ny tanora no ho avin’ity firenenana ity. Ka saika nifantoka avokoa tamin’io lohahevitra ion y lahateny izay nifandim-biasan’ireo solon-tenan’ny manam-pahefana tonga nankalaza izany.

Soamary tsy dia nisongadina loatra araka izany ity fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina raha ny teto Toamasina, toa manamarina izany ny fahavitsian’ireo olona namely ny antso, teo ihany koa ny tsy fahafahan’ireo manam-pahefana nasaina, izay voalaza fa eo ambanin’ny fahefan’izy ireo ity andro fankalazana anio ity, araka izay voalaza tamin’ny fanasana, saikasolon-tenan’izy ireo avokoa no tonga nanome voninahitra ny fotoana ary ny mpianatra avy ao amin’nyTrano kintana izay mandranto fianarana arak’asa no nameno ny toerana, nanatrika ny foatoana.
Nitohy tami’ny adihevitra moa ny fankalazana ary dia narahin’ny lalao fifaninana ho an’ireo tanora.
 
(61) Erino RAZAFIMANANA : 11-07-2014 - 18:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image