Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tonotosa ny talata 15 jolay ny fanadinam-panjakana voalohany
  Nitombo ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity
  Tontosa tao anatin’ny ora-mikinja ny fanadinam-panjakana CEPE sy ny fifaninana hidirana amin’ny kilasy faha 6 teto Toamasina. Hoan’ny fohibem-pitsarana CEG Ratsimilaho, izay ao anatin’ny foibem-panadinana CEG Ratsimilaho dia mahatratra 31 no tsy tonga nanao ny adina; Raha toa ka 2120 no isan’ny voasoratra anarana, izany hoe 2098 no tonga niatrika fanadinana.

Raha tsiahivina ny fandaharam-potoana nanombohana ny maraina dia tamin’ny 8ora sy 30 minitra no nanomboka ny adina ka ny taranja Kajy (Calcul) no natrehin’ny mpianatra voalohany ary nodimbiasan’ny taranja Lazaolana (Probleme), S.V.T sy Tantara. Ary ny hariva kosa dia ny taranja Malagasy, ny Frantsay ary Jeografia (Geographie) no namarana ny fotoam-panadinana.

Raha ny isa eto Toamasina, dia 7302 no isan’ireo mpiadina voasoratra anarana ka miparitaka amin’ny fohibem-panadinana miisa 7, izay mitsinjara ho toy izao :
  • EPP Pointe Tanio
  • : 215
  • CEG Ratsimilaho
  • : 2120
  • CEG Radama I
  • : 958
  • CEG Mangarano
  • : 1485
  • CEG Augagneur
  • : 776
  • CEG Ramatahitra I
  • : 931
  • CEG Tsarakofafa
  • : 717
    Tsara no manamarika fa 3492 amin’ ireo mpiadina dia zazalahy ary 3710 kosa no zazavavy.
    Miisa 167 ireo nisafidy ny hifaninana hiditra ho amin’ny kilasy faha 6 fotsiny, raha toa ka 298 kosa ireo hanala ny fanadinam-panjakana CEPE ihany ary miisa 6757 ireo hanala CEPE sy fifaninanana hidirana ho ao amin’ny kilasy faha 6.
    Nahitana fivoarana io antontan’isa io tamin’ity taona ity satria 6928 no isan’ny mpiadina tamin’ny taom-pianarana 2012-2013.
    Na dia teo aza ny ora-mikija nandritra ny andro dia nizotra tam-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fanadinana, araka ny fantatra dia amin’ny alarobia izao no hanomboka ny fitsaram-panadinana.
     
    (62) Erino RAZAFIMANANA : 16-07-2014 - 18:30

      Vaksiny "AstraZeneca"
      Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
      Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
     
    (224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

     

      CISCO Toamasina I
      Nizara DLM 221 isa
      Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
     
    (223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

     

      Fetin'ny reny
      Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
      Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
     
    (222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

     

      Lahatenin'ny Filoha
      Misokatra ny lalana manerana ny nosy
      Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
     
    (221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

     

    Nom de l'image