Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Nitombo isa ny mpampianatra nahavita fiofanana
  Namoaka mpiofana sokajy roa samy hafa ny CRINFP
  Sokajy mpianatra miisa roa no navoakan’ny CRINFP na Centre de Regional L`Institut National de Formation Pedagogique ao amin’ny Augagneur Toamasina, ny zoma 25 jolay 2014. Fampiofanana ho mpampianatra sy mpanolotsainam-pampianarana no atao ao amin’ny CRINFP. Ny voalohany mpampianatra niofana ireo dia nitondra anarana hoe SAHY ary ny faha roa kosa dia nitondra anarana SEDRA izay mpanolotsain’ny mpampianatra.
Ny mpampianatra andiany SAHY dia niofana nandrintran’ny iray taona, ary ho an’ ireo mpampianatra izay niofana mahakasika ho mpanolotsainam-pampianarana kosa dia telo latsaka kely teo ny faharetan’ny fiofanana, ary efa afaka mandray ny asany avy hatrany ireo mpampianatra nahavita ny fiofanana ireo, araka ny nambaran’ny lehiben’ny CRINFP no sady mpampiofana, Rtoa ZAFITODY Ravolafeno Sylvie.

Tonga nanome ny voninahitra ny lanonana ny mpitondra fanjakana eto an-toerana, nahitana ny solombavam-bahoaka izay voafidy teto Toamasina Atoa FAMINDRA Justin sy ny olom-panjakana maro, nifandimby nikabary ary samy nampahery ireo mpampianatra nahavita fiofanana.

Nisongadina ihany koa tamin’ny kabary nifandimbiasana, ny paik’ady vaovao ho entina hanatsarana ny fomba fiasa eo anivony fampianarana izay ataon’ny minisiteran’ny fampianarana amin’izao.
Nisy ihany koa ny fanolorana ny mari-pankasitrahana sy mari-pahatsiarovana ho an’ ireo mpampianatra niofana izay nahazo naoty tsara nandritra ny fiofanana, ary nifaranana tamin`ny fiarahana-misakafo tao amin`ny restaurant le Bateau Ivre ny lanonana.
 
(65) Anderson RAVO : 26-07-2014 - 08:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image