Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fitokonan’ny mpianatra Barikadimy
  Nakaton’ny mpianatra ny Biraon’ny DEG
  Fantatra fa nanao fihetsiketsehana indray ny mpianatra ao Barikadimy Toamasina, nanomboka ny alatsinainy 4 aogositra 2014 lasa teo. Mpianatra manodidina ny 30 eoeo izy ireo no nanao izao hetsika fitokonanana izao. Nakaton ’ny mpiatratra ny Biraon’ny DEG (FACULTE DE DROIT, DES SCIENCES ECONOMIQUES ET DE GESTION), io no nanehoan’izy ireo ny fangatahana. Mitaky ny hahazoana ny taratasy nanaovan’izy ireo ny fanadinana no antony lehibe anaovan’izy ireo izao hetsika izao, araka ny nambaran’izy ireo. Tsy nahafa-po azy ireo ny taratasin’ny valim-panadinana azon’izy ireo satria tsy mifanaraka tamin’ny vokatra azon’izy ireo tamin’ny 1er session ny vokatra azon’izy ireo tamin’ny 2em session. Betsaka tamin’izy ireo no mihevitra fa ny fisian’ny kolikoly tamin’ny noty no antony tsy anomezan’ny tompon’adraikitra azy ireo ny taratasim-panadinana, araka ny nambaran’ny mpianatra 2 nisolotena ny mpianatra mitokona.

Etsy ankilany anefa nanambara ny filoha lefitry ny oniversite ny Toamasina fa tsy ara-dalana ny fijerena ny taratasim-panadinana ,eo ihany koa ny fanaovan’izy ireo fangatahana fihaonana tamin’ny tompon’andraikitry ny oniversite ny andron’ny alatsinainy io nefa tamin’io andro io ihany no nanakatonan’izy ireo ny toerampiasan’ireo mpandraharahan’ny oniversite. Ny filoha lefitra oniversite anefa nanamafy fa vonona hifampiresaka amin’ireo mpianatra ireo. Araka ny vaovao voaray hatrany, misy fiatohana ny fitokonana androany, asabotsy 9 aogositra.

Ary fantatra koa fa voatery tsy maintsy niato ny fisoratana anarana amin’ny fidirana taom-pianarana 2014 - 2015, izay nokasaina natomboka ny alatsinainy 4 aogositra, ary mbola fanontaniana mipetraka ny fidiran’ny oniverisite Barikadimy izay efa nokasaina amin’ny alatsinainy 11 aogositra.
 
(67) Prud′Homme RAKOTOSON : 09-08-2014 - 08:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image