Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Hatsaraina ny fomba fitantanana eo amin’ny sehatra ara-toekarena
  Vita ny fifanaovantsonia ny zoma faha 8 aogositra
  Fanatsarana ny fifehezana sy fitantanana ara-toekarena aty amin’ny faritra Atsinanana, natao ny zoma 8 aogositra, tao amin’ny efitrano filankevitry ny faritra Atsinanana ny sonia fiaraha-miasa izay nifanaovan’ny lehiben’ny faritra Atsinanana sy ny talen’ny varotra sy ny fanjifana eto Toamasina. Tonga nanatrika izany fifanaovantsoniam-piaraha-miasa izany, ny minisitry ny varotra, ny minisitry ny atitany ary ny minisitry ny asam-panjakana. Nanambaran’ Atoa Narson RAFIDIMANANA, minisitry ny varotra fa zava-dehibe ny fifanaovan-tsoniam-piaramiasa satria manome hery ny faritra Atsinanana.
Nanamafy ihany koa ny lehiben’ny faritra Atsinanana Atoa TALATA Michel fa isany fitaovana hoentina mampandroso ny faritra izao hetsika firaha-miasa izao. Isan’ny anjara asan’ny faritra Atsinanana amin’ity fiaraha-miasa ity ny mamatsy ara-pitaovana, eo ihany koa ny famoriana ireo DELEGUE sy ireo ben’ny tana ato anatin’ny faritra amin’ny fampafantarana ny hetsika.
Anjaran’ny talen’ny varotra kosa no manao ny fanadiadihana ifotony sy manangona ny antontan’isa momba ny vokatra vokarin’ireo tantsa.
Antenaina izany fa hitondra fivoarana eto amin’ny faritra Atsinanana izao hetsika izao.
 
(68) Prud′Homme RAKOTOSON : 09-08-2014 - 10:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image