Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora
  Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny teto Toamasina
  Tonga nanotrona ny fanamarihana sy ny fankalazana ireo fikambanana manabe tanora sy ireo ONG misy eto Toamasina. Ny lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe: « fahasalamana ara-tsaina ny tanora ».
Tany Ambalavao, faritra Matsiatra ambony,ny fankalazana nasionaly izay notarihin’ny Minisitrin’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary ny halalavoly, Atoa Jean Anicet ANDRIAMOSARISOA, « Tanora milamintsaina sy tomady fanohitra ny fampandrosoana » no lohahevitra tamin’ny fankalazana nasionaly.

Raha ny teto Toamasina dia, hetsika telo no nentina nanehoana ny fankalazana, ny fampiratina, ny fijerena sary mihetsika momban’ny zaza ao ambohoka hatramin’ny fahalebiazany ary ny hetsika fampisehoana ara-pialamboly (rouleur - skett bord ),manoloana ny lapan’ny tanana.

Ny tanjona dia fanehoana ho an’ny mponina Toamasina ny fisian’izany andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora izany. Io no nambaran’ny talemparitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary ny halalavoly Atoa Laurent RABARIVELO.
 
(69) Prud′Homme RAKOTOSON : 13-08-2014 - 09:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image