Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Tsenan’ny Bazary Be Toamasina
Vinavinaina amin’ny 1 septembra ny fisokafany ho an’ny mpanjifa
Telo volana latsaka sahady izay no nitokananana ny tsenan’ny bazary be mbola mandeha ny fandaminana hiarahana amin’ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny bazary ben’ny Toamasina.
Araka nambaran’ny Rtoa NAROVE Soamamy, filoha lefitra voalohan’ny delegasionina manokana ny tampontananan’ny Toamasina fa ao anatin’ny fandrindrana ny tompon’andraikitra, fantatra ihany koa fa misy ny komisionina manokana izay ao anatin’ny filankevitra kominaly, isan’izany ny talen’ny tsena. Fantatra ihany koa fa misy ny fandraisana an’ireo solontenany mpivarotra isantsokajiny toy ny mpivarotra fanaka, mpivaro-daba, mpivaro-kena, sns, mba hijerene akaiky ny zavatra ilana fanamboarana araka izay ilain’ny mpivarotra.

Na eo aza ny fahavitan’ny tsena dia mbola misy ny fanamboarana kely tsy maintsy atao mba ampiasana azy arakin’ny filana sy fampiasan’ny tsirairay, na ny mpivarotra na ny mpanjifa.
Fantatra ihany koa fa misy ny lalana sy fitsipika mifehy amin’ny fanajana ny fahadiovan’ny tsena vaovao izay iarahana amin’ny Commune Urbaine Toamasina. Nisy ihany koa ny fangatahan’ireo mpivarotra ao amin’ny Art Malagasy amin’ny fanafoana ny tafon’ny tsenan’izy ireo ary ihany koa fametrahana jiro hanazava ny tsena.
Noeken’ny tompon’andarikitra ny fangatahan’izy ireo ary nanome toky ny ny filoha lefitra ny Fikambanan’ny Bazary be Miray (FIBAMY) amin’ny fampiasana ny tsena vaovao tsy ho ela, araka ny vinavina dia amin’ny 1 septembre ho avy izao no fisokafan’ny Bazary be hoan’ny mpanjifa.
Prud′Homme RAKOTOSON : 14-08-2014 - 12:30
Hay trano tao Dépot, Toamasina
Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.
JoelK : 17-08-2018 - 15:15... Lire la suite

 

Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Nom de l'image