Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Fanafihana nataon’ny jiolahy teo ambaravaran’ny Commune Urbaine Tomasina
Olona iray no maty, lasa ny vola mitentina 55 tapitrisa ariary
Nisehoana fanafihana mitam-basy indray teto Toamasina an-tampotanana, ny alakamisy 14 aogositra, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany latsaka dimy minitra teo ho eo, no nitrangan’izany. Lavon’ny balan’ireo jiolahy i Davidson, ny mpizara vola ao amin’ny commune Urbaine Toamasina, . Raha ny fahitan’ireo nanatri-maso ity raharaha mahatsiravina ity dia roa lahy mitondra moto scooter jog no nahavanon-doza tamin’izao tranga izao.
Mpiasan’ny commune telo lahy no avy naka vola, efa teo ambaravaran’ny commune no nanatona olona roa lahy mitondra basy, ka nitifitra avy hatrany an’i Davidson, nitondra ilay sakosy misy vola.
Vola nokasaina handoavana ny karaman’ny mpiasan’ny commune volana jolay, izao lasan’ny jiolahy izao, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny lefitra faharoan’ny PDS Toamasina, Atoa Laurent Jean Maurice.
Nandritra ny fandalovanay teny an-toerana dia hita fa bala roa no namonoana ity raim-pianakaviana ity dia teo amin’ny tendany sy ny lohany izany; maty am-perin’asa arak’izany ity raim-pianakavina ity izay namela kamboty sy mananon-tena iray.

Nirogatra indray ny fanafihana mitam-basy eto andrenivohatry ny Toamasina. Efa sahy manao ny asa ratsiny tsy ankiafina intsony ireo jiolahy fa na amin’ny antoandro be nanahary aza, ary tsy mifidy toerana. Mitebiteby mafy arak’izany ny mponina satria toerana ifamoivoizana sy misy mpiambina izao nitrangan’ny fanafihana izao, hany ka efa tsy tenenina intsony ny eny an-tokatrano na eny am-pivarotana eny. Ary manampy trotraka izany koa ny fiverenan’ny fahatapatapahan’ny jiro indray eto Toamasina.
Lantomalala SAHONDRANIRINA : 15-08-2014 - 08:30
Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Jeune Chambre International Toamasina
Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016
R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Noelin’ny Ankizy 2016
Andian’ny faha dimy (5eme édition)
Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45... Lire la suite

 

Nom de l'image