Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Ilaka Est no anatanteraha ny Sport scolaire 2014 ho an’ny faritra Atsinanana
  Tanora 109 no solontenan’ny CISCO Toamasina I
  Hianga ny alahady 24 aogositra ireo solontenan’ny CISCO Toamasina I, handray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena antsekoly aty amin’ny faritra Atsinanana, izay atao any Ilaka Est distrikan’ny Vatomandry, ny 25 hatramin’ny 29 aogositra. Raha ny loharanom-baovao voaray dia hotonga handray anjara avokoa ny CISCO miisa 7, izay mandrafitra ny faritra Atsinanana. Araka ny fantatra ihany koa fa dimy ireo taranja hifaninanana isan’izany ny Basket Ball, Hande ball, Voley Ball, Foot Ball, Atletisme ary ahitana sokajin-taona zandriny indrindra 13 taona ary 17 taona ny zokiny indrindra.

Raha ny nambaran’i Atoa TOTO Jean Alphonse izay tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny taranjam-panatanjahantena eto amain’ny fari-piadidim-pampianarana Toamasina I dia tanora 109 no solontenana’ny CISCO ny Toamasina I izay ahitana mpanazatra isantsokajin’ireo taranjam-panatanjahantena hifaninanana. Fantatra ihany koa samy nahazo fahazahoan-dalana avy tamin’ny Ray aman-dReniny avokoa ny mpilalao tsirairay hiatrika izany.
Iantohan’ny CISCO avokoa ny fikarakarana sy ny lany rehetra mandritran’ny 5 andro anaovana ny fifaninanana any Ilaka Est.
Tsahivina ihany koa fa ny CISCO I na ny CISCO ny Toamasina I no mandrombaka ny medaly volamena betsaka indrindra tato anatin’ny faritra Atsinanana, tamin’ny taon-dasa.
 
(72) Prud′Homme RAKOTOSON : 20-08-2014 - 18:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image