Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Henjan-droa ny tandy eo amin'ny filoha sy ny mpianatra
  Nihamafy ny fitakiana, nitombo ny fanagatahana
  Efa nakaton’ireo mpianatra nanomboka ny faha 4 aogositra ary nosokafana kely nony fifampiresahana tamin’ny filoha lefitry ny oniversiten’ny Toamasina ary naverina nafody indray izany ny faha 11 aogositra ka hatramin’izao, rehefa tsy nisy ny fanantsoana ireo mpianatra tamin’ny fifampiresahana.
Mbola tsy nahita-mbaha olana ny fitokonanana nataon’ireo mpianatra ao Barika dimy momban’ny fangatahana hijerena ny taratasim-panadinana nanaovan’izy ireo fanadinana 2em session. Ankilany, nitombo hatrany ny fangatahana ataon’izy ireo akoatry ny ny fiherena ny feuille de copie, toy fampidinana ny sarampianarana ary eo ihany koa ny fangatahan’izy ireo ny fiala’ny filohan’ny oniversiten’ny Toamasina. Araka ny nambaran’ i Godcello, filohan’ny mpianatra avy amin’ny faritra Toliara dia hiakatra amin’ny dingana mafanafana ny hetsika raha tsy mbola misy ny marimaritra iraisana amin’ny tompon’andraikitra ka mety hisian’ny fidinana eny an-dalambe.
Momban’ny fahasimbanjavatra nisy tao Barika dimy indray kosa, dia nilaza izy ireo fa tsy fitokonana nataon’izy ireo no nahatonga ny fahasimban-javatra fa vokatry ny hatezeran’ny mpianatra amin’ny fahatapatapahan’ny jiro matetika loatra no nampisy hetsika nandoro ny toerana fipetrapetrahana teo manoloan’ny Espace francophone sy fahasimban’ny fitaratra tao antoerana.
Vokany, hatramin’izao dia, mbola tsy nanomboka ny fisoratana anarana hoan’ireo mpianatra efa tranainy sy ireo vao afaka Bacc tamin’ny taona 2013, raha toaka nokasaina izany tamin’ny faha 11 Aogositra. Ahiana araka izany, fitomboanan’ny fahataran’ny taom-pianarana izay efa nisy tamin’ny taon-dasa.
 
(74) Prud′Homme RAKOTOSON : 27-08-2014 - 18:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image