Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Nivoaka ny didy fampihatona ny fandroahana ao anaty CAMPUS
Hiakatra fitsarana ny raharaha ao Barikady
Nahato ny fanesorana ireo mpianatra mipetraka ao anatin’ny faritry ny anjerimanontolo ao barikadimy taorian’ny fitoriana ny fanoherana ny didy izay navoakan’ny filan-kevim-pitantanan’ny oniversite tamin’ny mahakasika ny fanesorana ireo mpianatra ao amin’ny faritry ny oniversité Barikadimy.
Araka ny efa nanarantsika azy teto amin’ny fampahalam-baovao dia efa tokony tamin’ny faha 11 aogositra 2014 no tokony efa niditra hianatra ireto mpianatra ireto ka izao niafara amin’ny fifampitoriana any amin’ny fitsarana izao.
Nanambara i Atoa Ralphe Desire fa ny famaliana ny fangatahana fisavana ny taratasim-panadinana ihany no vaha olana ho an’ny mpianatra nanamfy ihany ko aizy fa tsy nisy ny fanimban-javatra tao anatin’ny campus barikadimy tamin’ny fangatahana nataon’izy ireo, Fantatra ary fa nametraka fitoriana hanoherana ny didy izay navoaka ny filan-kevim-pitantanana teo anivon’ny fitsarana ireto mpianatra ireto ny alarobia faha 3 septembra lasa teo ary nivaly tamin’io andro io ihany ny fangatahana, fantatra fa nahaton’ny fitsarana ny didy mandroaka ireto mpianatra monina sy manovo fahalalana ao barikadimy mandrapaha ivoahan’ny valim-pitsarana amin’ny 10 Septambra hoavy izao.
Prud′Homme RAKOTOSON : 05-09-2014 - 09:30
Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Jeune Chambre International Toamasina
Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016
R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12... Lire la suite

 

Voix Talen’Est
1/2 Final
Lanonana roa sosona no notanterahina teto amin’ny Radio Voanio ny farany herinandro lasa teo, ny 23 desambra dia nankalaza ny noelin’ny ankizy, ny 24 desambra kosa dia mbola notanterahana tato amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio ny fifaninanan-kira Voix Talen’Est manasa-dalana.
Maro ireo mpijery no tonga, fa indrindra ireo nanotrona sy nanohana ireto...
Lantomalala : 26-12-2016 - 11:05... Lire la suite

 

Noelin’ny Ankizy 2016
Andian’ny faha dimy (5eme édition)
Notanterahana ny 23 desambra 2016 ny noelin’ny ankizy andiany faha dimy, izay hetsika karakarain’ny Radio Voanio, fanaiony isan-taona hoentina ampifalifaliana ireo ankizy.
Niavaka kely izy tamin’ity taona ity satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny sekolim-panjakana manana ireny préscolaire ireny izay miisa 6 teto Toamasina dia ny EPP La Foire, EPP Manangareza, EPP ZOTO, EPP Todivelo Raphael, EPP Analamboanio, EPP Maurice Guyot.

Nampiavaka ny noelin’ny Ankizy tamin’ity taona ity isantaona tokoa mantsy satria feno fifangaroan’ny ankizy avy amin’ny sekoly maro, izay noentina anatsarana ny fetin’ankizy sy mba hoentina anomezana ny fahafaham-pon’ny rehetra. Ankizy miisa 30 no niara-nidola, niara-nifaly, niara-nialahetaheta.
Lantomalala : 24-12-2016 - 08:45... Lire la suite

 

Nom de l'image