Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Hain-trano nitranga anio antoandro
  Efitrano efatra kilan'ny afo sy ireo entana tao anatiny
  Nitrangan’ny hain-trano indray tetsy Mangarivotra atsimo tsy fantatra mazava ny antony niavian’ny afo.trano hazo lehibe mirefy 10 m ny andavany ary 8 metatra kosa ny ampohiny ary misy efitra 8 no kila firehatra androany alarobia faha 4 septambra 2014. Araka nambaran’i Rtoa kelyJulia, izay tao antin’ilay trano kila firehatra dia efa nanomboka tamin’ny 11 ora mahery kely teo no nanomboka nirehitra ilay trano ary tsy nisy ny aina nafohy, ity farany izay nanazava fa tamin’ny fotoana nijerevany fahita lavitra no nahitany lela hafo ka taitra ka naka ireo ankizy roa izay niara nijery fahitalavitra taminy mba hamonjy aina. Araka ny fanadihadihana nataonay hatrany dia tsy fantatra mazava ny fiavian’ny afo nanambara ihany koa ry zareo mpamonjy voina fa tonga ara- potoana izy ireo izany no mbola nahafahana nifehy ny afo tsy nipita tamin’ny trano hafa.

Etsy ankilany anefa dia nananosarotra ihany izany satria vory lanona ireo ankizy sy ny vahoaka nijery ny voina.
Nanambara ihany ko izy ireo fa isany olana eto toamasina ny tsy fiantsoana avy hatrany ny pompier rehefa misy ny hain-trano toy izao, fa mbola variana mamono afo ny fokon’olona zay vao miantso mpamonjy voina, ny olana anefa efa mihitatra ny loza izay vao miantso mpamonjy voina ny olona. Eo ihany koa ny tsy fahafantaran’ny olona ny laharana ian-tsoana ny mpamonjy voina eto amintsika.
Araka izany ary aza adinoina ny miantso ny laharana 0205332218 raha finday ny telephone fa 18 kosa raha telephone fixe.
 
(77) Prud′Homme RAKOTOSON : 04-09-2014 - 18:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image