Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités

Login Password
Register Forgot Password?
Mpivady nifamaly
Asarotam-piaro nitarika famonoana
Vehivavy iray 19 taona no maty novonoin’ny vadiny, ny alatsinainy maraina 08 septambra lasa, tokony tamin`ny 6ora sy sasany maraina, tao amin’ny fonkontany Ankirihiry Avaratra 11/58, vokatry ny disadisa teo amin’izy roa mivady.
Araka nambarany manondindina, matetika no misa disadisa amin’ ireto mpivady ireto ary matetika miafara amin’ny fisarahan’izy roa izany ary miravona ho azy izany raha lasalasa ny fotoana ka mbola mifamerina indray. Henon’ny manodidina avokoa ny feo mifamaly ataon’izy roa ary vao tsy ela akory izy ireo no nifamerina indray nialohan’izao tranga nisy izao.

Ny alin’ny alahady faha 07 septambra no nahenoan’ireo manodidina farany ny fifamalianan’izy roa, iray trano, nefa tsy nahataitra ny manondidina intsony izany. Noho ny tonga anefa ny maraina, ny alatsinainy, dia nahatsikaritra fihetsika hafahafa nataon’ ilay rangahy ny mpifanolo-bodirindrina tamin`ny zareo.
Tamin’ny maraina zareo mbola nifamaly fa aferan’ny mpivady sarotra idirana ka izahay nahare izy ireo nagnina dia tsy fantanay fa tamin’ny maraina foana dia lasa ilay rangahy nibaby saky ary nahidiny ilay trano, noentiny ny fanalahidin’ny trano. Tonga saina izahay hoe nagnino ilay zazavavy ao sao maty. Efa lasa elaela ilay lehilahy izay navanondoza dia novakiana ary nosokafina ny trano sady niantso ny rahavavin’ilay vehivavy nahidy antrano,raha vao voasokatra ny trano dia efa fatin’ ilay tovovavy no hita nitsiraraka tao antrano ary nahitana dian-drangotra teo amin`ny tedany ka niantso mpitandro filaminana izahay hoy ny mpifanolo-bodirindrina.
Vehivavy tanora, 19 taona i Francia, maty novonoin`ny vadiny.

Teloa andro taty aoriana dia nanatona ny biraon’ny Police i RAZAKAFIDY Stephan, vadin’i Francia, nitolo-tena, nitsotra ny marina ary niaiky tamin’ny heloka vitany. Asarontam-piaro diso tafahoatra no namonoan’i Stephan an’i Francia, nongendainy hatramin’ny faran’ny ainy. Araka ny fantatra dia tsy natory iray alina tao antranony ity ramatoa vadiny ity.
Anderson RAVO : 10-09-2014 - 18:20
Hay trano tao Dépot, Toamasina
Trano 10 tafo mahery, kilan’ny afo anaty 30 minitra
Nohon’ny haitrano nitranga tao Dépot, parcelle 23/41 sy 23/42, ny alarobia, sahabo, tamin’ny 4 ora sasany tolakadro, tonga namangy ny fianakavina tratran’ny haitrano Solombavambahoaka voafidy teto Toamasina I, Atoa FAMINDRA Justin sy ny Vadiny, nitondra famapaherezana sy fanampiana. Nanao fanentanana ko aizy amin’ny manampahefana sy tompinandraikitra eto antoerana fa tsy hijery fotsy ireo vahoaka tratran’ny hai-trano izao fa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana no ahafahana manarina ny fahapotehana.
JoelK : 17-08-2018 - 15:15... Lire la suite

 

Fifidianana 2018
Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina
Lanto : 16-02-2018 - 09:20... Lire la suite

 

Noelin’Ankizy 2017
6èmeédition
Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.
JL : 28-12-2017 - 08:33... Lire la suite

 

Nom de l'image