Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Dian’ny lehiben’ny Governemanta Malagasy taty Toamasina
  Hovitaina alohan’ny fidirana ny asa fanadiovana ny CAMPUS, antso avo avy amin'ny lehiben'ny Governemanta mahakasika ny fividianana noty sy kolikoly misy ao Barikadimy
  Taoriana ny fanesorana ireo mpianatra tao barikadimy dia tonga nijery ny zava-misy tao anaty campus ny lehiben’ny gouvernemanta AtoaKOLO Roger, ny alakamisy faha 25 septambra 2014 lasa teo. Tonga nanotrona tamin’izany ireo minisitra 5 mianadahy sy ry zareo avy amin’ny mpandraraha ao amin’ny oniversite izay notarihan’ny filohan’ny oniversite Atoa VELO Jerom.

Gaga ny praiminisitra raha nahita ny zava-misy tao barikadimy ny toamasina satria korontana loto maro samy hafa no hita tamin’ny fandalovana teny an-toerana, ankoatra ireo dia soratra maro samy hafa ihany koa no hita toin’ny manao photocopie, CASINO ireo no tazana amin’ny rindrina sy ny hefitrano fipetrahan’ny mpianatra.
Nilaza anefa ny lehibeny gouvernemanta fa tsy mendrika hoan’ny ireo mpianatra manovo fahalala ato barikadimy izao zava-misy izao fa ho ezahina ny hanatsarana hatrany ity oniversite ny Toamasina ity.
Araka ny fantatra mantsy dia 25% ny mpianatra ihany no zakan’ny trano fonenanin’ny mpianatra Barikadimy.
Etsy ankilany anefa dia maro amin’ireo mpianatra nipetraka tao amin’ny oniversiten’ny Toamasina efa miasa ary tsy mianatra intsony ka izany no isany antony nahatonga ny fanasorana ireo mpianatra.
         
Taorian’ny fitsidihana tao tamin’ny oniversite barikadimy dia nanao lohabary andasy teo amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana ireo delegasionina notarihan’ny lehiben’ny gouveremanta KOLO Roge. Tsy nihambahamba ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy teto Toamasina Atoa FAMINDRA Justin nagataka ny fanavaozana ny fomba fisainana amin’ny fitantanana ao Barikadimy. Nilaza mantsy izy fa misy ny kolikoly sy fivarotana naoty eo anivony oniversite ka ilana fanadiovana koa ny toe-tsaina eo amin’ny sehatry ny fitantanana.
Araka izany dia nanao antso avo Atoa KOLO Roger, lehiben’ny Governemanta Malagasy, mba hanomezan’ny rehetra tanana amin’ny fanjakana mba ho fanatsarana ny anjerimanontolo ny Barikadimy; eo ihany koa ny fanomezan-toky nataony amin’ny fanampiana ny oniversiten’ny Toamasina mba ho vita ny fanadiovana mialohan’ny volana janoary, izay fotoana hiverenan’ireo mpianatra hianatra indray.

ASOIMI

Nosokafina tamin’ny fomba ofisialy ny Championnat National ASOIMI ny andron’ny alakamisy faha 25 septambra ihany, tokony tamin’ny 11 ora atoandro teo eo. Izay natrehin’ny Praiminisitra lehiben’ny gouvernemanta sy ireo minisitra 5 mianadahy toy ny minisitry ny kolotsaina, minisrtrin’ny rano, minisrtrin’ny tanora sy ny fanatanjahantena, minisrtrin’ny varotra sy ny fanjifana,ary ny minisitry ny fampianararana ara-teknika.
Tonga nanome voninahitra izany ihany koa ny lehiben’ny faritra atsinanana AtoaTALATA Michel sy ny lehiben’ny district Toamasina I,II ary ny solontenan’ny filohan’ny delegasionina manokana ny tananan’ny Toamasina.

Fantatra ary fa efa andihany faha 4 izao natao teto Toamasina izao ka ahitana mpandray anjara 4000 avy amin’ireo mpiasampanjakana manerana ny nosy.
 
(81) Prud'Homme RAKOTOSON : 28-09-2014 - 09:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image