Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Antandrevaka nataon’olona iray no namoizana fananan’olona maro
  Tokatrano miisa 10 eohoeo no kilaforehitra tetsy Tanambao II
  Tamin′ny 11ora atoandro teoo no nisehoana haitrano tetsy Tanambao II akaikin′ny UPRIM bazar kely, ny zoma 17 oktobra lasa. Saika mpivarotra hanimasaka avokoa ireto may trano ireto (mpivarotra la soupe), vinavinaina eo amin′ny trano folo eo ho eo no may kil′aforehitra, fantatra nandritra ny fanadihadina izay nataonay teny antoerana fa afon-tsaribo no nahatonga ny firehetana, araka ny nambaran′ny olona iray izay isan′ireo niaran-doza, dia niainga avy tamina efitrano iray ao ambadiky ry zareo ny afo, voalaza fa nandrehatra afon-tsaribo ity olona ity ary dia natokony ny nahandro, navelany tao an-trano ny tokoana ary nohidiny ny trano. Taitra mafy ny manodidina raha nahita ny setroka mainty be nivoaka avy tao an-trano ka voatery nanapitsoka ny trano izay nihidy. Nandrivotra sady maina be koa moa ny andro tamin′ny nisehoan′ity loza ity ka nahafaingana ny fiparitahan′ny afo tamin′ny toerana manodidina teo. Mandraham-pahatongan′ny mpamonjy voaina anefa dia niezaka nanao vonjy rano vaky ihany ny manodidina, 15 minitra nitrangan′ity haitrano ity dia tonga ny mpamonjy voina avy amin′ny Commune Urbaine de Toamasina, tsy ampy namonoana ny afo ny rano noentina tamin′izany, ka nanao fiverenana indray amin′ny famatsiana ny rano. Tonga ihany koa ny mpamonjy voina avy amin′ny Port, nanampy amin′ny famonoana afo, saingy nisy ny olana teo amin′ny fitehirizana rano ambony fiara ka very sasaka ny rano izay noentin′izy ireo. Na izany aza anefa dia voafehy ihany ny afo, tao anaty ora vitsy.
Nandritra ny foatoana nandalovanay teny antoerana, tsy nahitana ny olona naratra ary tsy nisy araka izany ihany koa ny aina nafoy nateraka ity loza ity.

Tsara ihany ny mitandrina amin′ny toe-javatra tahaka itony, marina fa ny tampoka hono tsy maha lehilahy nefa tsy misy afa tsy ny fitandremana ihany no tena zava-dehibe. Hatreto ihany koa mbola azo lazaina ho marefo ihany ny sehatry ny famonjena voina tahaka an′itony eto amitsika, mihevitra hoe afo inona no tsy ho faty rehefa tratry ny rano, nefa ny rano indraindray tsy mahafaty afo eoeo indrindra fa raha hotely toy itony, menaka no saika mameno ny trano.
 
(84) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 20-10-2014 - 08:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image