Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Miroso tsikelikely amin′ny nimerika ny fampianarana
  Nahazo tablette miisa 50 ny CEG Ratsimilaho
  Mba ahafahana miroso kokoa eo amin′ny sehatra «Numerisation de l′education» eto Madagasikara , nanao fanomezana fitaovana mifanaraka amin′zany ny Orange Madagascar,
ho an′ny sekolim-panjakana 30 manerana ny nosy.

Nahazo ny anjarany tamin′izany ny CEG Ratsimilaho, ny asabotsy faha 18 oktobra 2014 lasa teo, ka nahazo tablette miisa 50 sy ny kojakoja ilaina amin′izany toy ny Serveur miisa 2, Video projecteur sy ny vata fikajiana.

Tonga nanolotra ny fitaovana i Rtoa Josie RANDRIAMBELONA, filohan′ny Orange solidarite Madagascar ary noamafisany tamin′ny fandraisany fitenenana fa tompon′andraikitra ny Orange Madagascar amin′ny fanabeaza eto Madagascar. Fisaorana kosa no natolotry ny fianakaviam-be mpampianarana sy ny tompon′andraikitry ny sekoly ho an′ny Orange solidarite Madagascar.
Nisy ihany koa ny fampiofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana ireo, ka samy nahazo ny tandrify azy avokoa ny mpianatra, ny mpanabe sy ny tompon′andraikitry ny sekoly.

Tsy vao sambany akory amin′ny Orange Madagascar ny fanaovana fanomezana sy asa soa toy itony, fa efa nisy izany hatramin′ny taona 2006, ary saika niompana bebe kokoa eo amin′ny sehatry ny fanabeazana izany. Isany misehatra asa sosialy ataon′izy ireo ihany koa ny fahasalamana sy ny kolontsaina ary ny toe-karena toy ny village orange ireny. Nanomboka ny taona 2014 no niompana kokoa tamin′ny nimerika, ary ny filamatra amin′izany moa dia «numerisation de l′education», mba ahafahana mampiditra ny nimerika an-tsekoly no tanjona kendrena, araka nambaran′ny filohan′ny Orange solidarite Madagascar, ka sekoli-mpanjaka EPP sy CEG no iantefan′izany tetik′asa izany.
 
(83) Prud'Homme RAKOTOSON : 21-10-2014 - 10:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image