Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Tontolo iainana
  Hatahorana ho maizina tanteraka i Madagasikara ato ho ato
  Mananontanona atsika eto Madagasikara ny fahamaizinanana tanteraka vokatry ny fahasimban′ny tontolo iainana, ahiana ho ritra mantsy afaka roa taona ny ranon′Andekaleka izay ampiasain′ny orinasa JIRAMA hanodinana ny herinaratra eto amitsika, fantatra izany nandritry ny loabary andasy izay nokarakarain′ny Conservation International teto Toamasina ny Talata 28 oktobra 2014 lasa teo, noho ny fisian′ny fitrandrahana tsy ara-dalana ao anatin′ireo ala amin′ny faritra arovana “Tandavanala Ankeniheny Zahamena” no antony lehibe mahatonga an′izany.
Ho tototra ary ho ritra tanteraka ireo loharano dimy mamatsy ny renirano ampiasain′ny JIRAMA ao Andekaleka, raha mitohy ity fanimbana ny ala ity araka ny nambaran′Atoa RANDRIANALISON Gervais, tomponandraikitra voalohany ao amin′ny PLACAZ.

Fantatra nandritra io valandresaka izay nanasana ireo olo-manakaja isa-tsokajiny avy aty amin′ny faritra Atsinanana sy Alaotra mangoro fa betsaka ny tsindry izay mahazo ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena (TAZ), anisan′izany ny fahapotehan′ny ala velona izay hita ao alaotra mangoro sy aty amin′ny faritra Atsinanana amin′ny fanaovan′olona ny TAVY, fa eo ihany koa ny fangalarana ireo harena voajanahary sy ny fitrandrahana ny arena ankibon′ny tany.
Tafakatra 1000ha ankehitriny ny ala potika ao amin′ny TAZ, araka ny nambaran′Atoa RANDRIANALISON Gervais atrany.Niaiky ny fandikan-dalana amin′ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy famoahana ny vokatr′izany ny tomponandraikitra iray teto Toamasina ”tena fantatra ary hita ny olona mpanao io trafika sy fitrandrahana tsy ara-dalana io fa sarotra ny mikitika azy” hoy ny mpanolotsaina teknika iray misahana ny tontolo iainana eto amin′ny faritra Atsinanana.
Io teny io izay nadikan′ny mpanara-baovao fa toa manambara sahady ny fahalemen′ny fanjakana eo anoloan′ny fandikan-dalana mohoapapana eto amin′ny tany sy ny firenena, efa misy ihany moa araka ny nambaran′ny solotenan′ny JIRAMA ny fanarenana ataon′izy ireo ny amin′ity fahapotehan′ny ala ity dia ny fambolena hazo amin′ireny “bassin versant” ireny ary tena misy ny fanaraha-maso ataon′izy ireo.
Ity loabary andasy ity moa dia tanteraka noho ny fiaraha-miombonantoky ny Conservation International izay vatsian′ny USAID vola niaraka tamin′ireo mpanao gazety nahavita fiofanana manokana mahakasika ny fanadihadina lalina.
 
(86) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 17-11-2014 - 11:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image