Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Naneho ny hatezerany ny vahoaka nohon’ny delestage lava reny
  Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana, betsaka ny zavatra simba tao amin’ny JIRAMA foibe Toamasina
  Nanao fitokonana ireo andian’olona alahady tokony tamin’ny 7 ora sy sasany alina teo, izy ireo zay tsy mankasitraka ny delestage lava reny teto Toamasina nandritra ny volana maromaro. Maro mantsy ireo karazana fanairana natao mba hisian’ny fandraisana andraikitra avy tamin’ny fanjakana fa tsy nisy vokany izany toy ny fametrahana soratra amin’ny fiara hoe STOP DELESTAGE teo ihany koa ireo moto nahitana io soratra io ary nisy mihintsy aza ireo fikambanana namokatra tee-shirt misy io soratra io ihany.

Ankilany, ny fanjakana efa nanafatra groupe electrogene hamahana ny olan’ny delestage teto Toamasina fa saingy nisy fahatarana izany araka ny fantatra moa dia efa tonga teto Taomasina ireo groupe dimy fa saingy mbola nisy ny olana ara-teknika namahana ny olanana.
Vokan’izay fahataran’ny fampandehanan’ny groupe electrogene izay hanampiana ny herinaratra eto toamasina izay dia nisy ny andian’olona maromaro nitanjozotra nankeny amin’ny foiben’ny JIRAMA tao bazary be ny alahady faha 21 desambra tokony tamin’ny 7ora sisasany teo.fantra ary fa raikitra ny toraka vato sy ny doro pneu izay nataon’ireo mpanao fitokonana nidiran’izy ireo atramin’ny toerana mpizara herinaratra eto an-tampon-tananan’ny toamasina nikasa ny handoro ny fiaran’ny JIRAMA ireto mpanao fihetsiketsehana ireto fa soa ihany fa tonga ny emmoreg nanao tifidanitra sy nanapoaka grenady. Araka ny fantra moa nisy telo ny voasambotra tamin’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto.ANILANY kosa dia potika tanteraka ny toerana fandoavana ofanjiro sy ireo fitaratra aoamin’ny orin’asa ny JIRAMA.
 
(89) Prud'Homme R. : 24-12-2014 - 09:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image