Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fitanterana Andranomamy Toamasina – Ambilalemaitso
  Mangetaheta fivoaran’ny Canal de Pangalane ny mpanamory
  4000 Ariary ny sarandalana mihazo ny Canal de pangalane, etsy ankilany anefa dia fantatra fa isan’ny olan’ireo mpitatitra andranomamy ny fahalotoan’ny canal de pangalane.
12 Taona nanaovana ny fitaterana andranomamy Atoa RAFIDY Jean Louis, nambarany fa tonga hatrany Ambila izy ireo no maka ny entana maketo Toamasina ary mihoatran’ny 100km ny lalana lalovan’izy ireo eny ambonin’ny ranomamy.

Maro ny olana sedrain’izy ireo eny andalana rehefa ratsy ny toe-trandro satria mahatratra 2 ka hatramin’ny 4 andro andalana miandry ny toetrandro tsara izy ireo vao afaka mandroso ny dia. Akoatran’izay dia isan’ny olana fototra ho an’izy ireo ihany koa ny tsy fandoavan’ny mpanjifa ny saran’entana hoentin’izy ireo, fa indrindra ny fiakaran’ny vidin-tsolika manampy trotraka, manginy fotsiny ny fahalotoan’ny Rano. Fantatra fa mahatratra 4000 Ariary ny sarandalana ary mandany 12 ora eny andalana zareo.

Nandritra ny fandalovanay teny antoerana nanaovana ny fanadihadina ihany koa dia fantatra fa mandoa Hetra isan-taona izy ireo eo anivon’ny sampan-draharaha Sany Marçant ary mandoa hetra amin’ny fanjakana sy visite technique isan-taona ireo lakana fitaterana vahoaka mihazo ny canal de pangalane iny ary mahatratra 140 000Ariary no aloha amin’izany.
 
(90) Prud'Homme R. : 08-01-2015 - 16:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image