Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fiaraha-miasa eo amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina sy ny avy any ivelany
  Hanampy amin’ny fanitarana ny serana-tsambo ny Governemanta Japonais (JICA)
  Nanao fitsidihana ny serantsambony Toamasina i Dr Akihiko TANAKA, filohan’ny JICA (Agence Japonais de Cooperation international) ny faha 12 ny volana janoary lasa teo. Isany tanjon’izao fitsidihana izao ny tetik’asa fanitarana indray ny seranantsambon’ny Toamasina ary ny fijerena ny fomba ampandrosoana bebe kokoa ny seranantsambon’ny toamasina.Fantatra ary fa efa nisy ny fiarahamiasa tamin’ny governemanta japonais tamin’ny fanitarana ny seranantsambon’ny toamasina fa saingy nisy ny fahatapahan’izany ny taona 2009 nohon’ny krizy lava reny teto Madagasikara. Araka izany dia nisy ny fiverenan’ny fiaraha miasa nanomboka ny taona 2014 ka izany no anton’izao fitsidihana nation’ny filohan’ny JICA eto amin’ny seran-tsambon’ny Toamasina izao.
Fantara ihany koa fa tsy vita amin’ny fotoana fohy ny fanitarana ny seranan-tsambo tahaka izao, io no nambaran’ny telen’ny seranan-tsambon’ny Toamasina Atoa AVELLIN Christian Eddy araka ny nambarany mantsy fa mahatratra 5 taona ka hatramin’ny 10 taona ny fanitarana tahaka izao. Fantatra ary fa vinavinaina any ho any amin’ny 2019 na 2020 any ho any ny fahavitan’ny asa fanitarana ny seranantsambon’ny Toamasina.

Tsy fantatra maza moa hatreto ny teti-bola hanampian’ny governemanta japonais an’ny fanitarana. Fantatra ihany koa fa nihanitombo isa ny conteneur ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, raha ny taona 2013 dia nadray conteneur 126000 ny seranantsabony Toamasina, ka tafakatra 200000 izany tamin’ny taona 2014.
 
(92) Prud'Homme R. : 15-01-2015 - 18:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image