Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fizarana marim-pahaizana andian’ny faha 9
  99 % ny taha-pahafahan’ireo tanora niatrika ny fiofanana ara-kasa
  Tontosa ny asabotsy 17 janoary 2015, faran’ny herinandro teo ny fizarana marim-pahaizana ho an’ny sampam-piofanana ara-kasa ao amin’ny CAMP (Centre d’Apprentissage Multiformation Professionnel), tamin’ny 9 ora sy sasany teo ho eo ny fanokafana izany, nahitana olo-manan-kaja isa-tsokajiny, nahitana ny solontena avy ao amin’ny faritra tao ihany koa ny avy ao amin’ny commune, ny district, talem-paritry ny fampananan’asa, ny DREN….
Ireo rehetra ireo moa dia samy nandray anjara fitenenana avoakoa ary nirary soa an’ireto mpianatra nizarana marim-pahaizana ireto, tsara ny voka-panadinana hoy Atoa Manitra Christian, tale an’ny sekoly CAMP satria maro ny nahazo mention tres Bien sy Bien ary tsy teto antoerana hoy hatrany izy no nitsara ny taratasim-panadinana fa tany Antananarivo, midika izany fa aram-panjakana ity fanadinana ity.

Nahitana ireo nanao cours de vacance Informatique sy ny mecanique automobile fa teo ihany koa ireo nanao mecanique automobile 10 volana na ny (niveau I), mecanique automabile 12 volana na ny (niveau II) ary ny Electronique.
Nirary soa an’ireto tanora ireto ihany koa moa ny tale an’ny sekoly CAMP ary mbola nilaza izy fa na dia efa tsy manohy ny fianarana ao amin’ny CAMP intsony aza ireto tanora ireto dia mbola vonona hatrany izy ny hanampy na eo amin’ny fanaovana stage ho an’ireto ankizy nahavita ny fihofanana ara-kasa ireto, ary manentana hatrany izy ny amin’ny hitohizan’ny fahendren’ireto tanora ireto araka ny foto-kevitra ijoroan’izy ireo hoe «ny olon-kendry mahay raha tsy very mandeha».
 
(94) Lantomalala S. : 19-01-2015 - 12:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image