Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Mitobaka ny mananasy eny Bazary
  Tsy mandeha ny tsena
  Nisy fiakarany ny vidin’ny mananasy raha 4000Ar ny ngeza indrindra tamin’ny taompamokarana tamin’ny taon-dasa dia lasa 6000 Ar izany tamin’ity taona ity.
Nahitana fahatarana ny vokatra mananasy tami’ity taona ity raha ny fanazavana voarainay tamin’ny Atoa Tombo, mpivarotra mananasy ao bazar kely. Nilaza ihany koa izy fa nisy fiakarany ny vokatra mananasy raha 400 Ar kahatramin’ny 4000 Ar ny vidin’ny mananasy tamin’ny taon-dasa dia tafakatra 600 Ar ka haatramin’ny 6000 Ar izany amin’izao fotoana izao. Niharatsy hatrany anefa ny vidin’ny mananasy taorian’ny fetin’ny krisimasy sy ny fetin’ny faran’ny taona satria tsy mandeha ny tsena araka ny nambaran’Atoa Tombo ihany.

Nambaran’ity mpivarotra ity hatrany fa nitobaka ny mananasy fa saingy misy ny fahatarany nony tsy fahampian’ny orana tamin’ny volana novembra, desambra lasa teo iny, misy amin’ireo mpanjifa aza mahatsikaritra fa misy ny fihenana ny habean’ny mananasy. Araka ny fanadihadiana natao ihany no nahafantarana fa faritra anjiry, Mahanoro, Vatomandry ary Vavatenina no mpamatsy mananasy eto an-tampon-tananan’ny Toamasina. Fantatra ihany koa fa ahitana rano mahatratra: 87,24g sy vitaminina A: 52 UI / C: 16,9mg / B5: 0,193mg, misy ihany koa ny potassium 125mg;
fer : 0,25mg; cuivre: 0,081mg; glucides: 11,82g ireo no ampahany amin’ny otrikaina hoentiny mananasy. Azo atao ranom-boankazo koa araka izany ny mananasy amin’izao vanin’andro mafana izao.
 
(93) Prud'Homme R. : 10-01-2015 - 11:35

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image