Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Nosalorana samboady ireo solombavavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tato anatin’ny faritany Toamasina
  Solom-bavambahoaka 18 tonga nandray ny samboadiny
  Iray taona taty aorianan’ny maha solombavambahoaka azy voa nisy ny lanonana fisalorana ny samboady. Notontosaina ny asabotsy faha 07 febroary lasa teo ny fametrahana ireo solombavambahoakan’ny Madagasikara izay voafidy tato anatin’ny faritanin’ ny Toamasina. Araka izany vory lanona tetsy nanoloan’ny araben’ny fahaleovantena ny mponina Toamasina renivohitra ny asabotsy lasa teo niatrika ny fametrahana ireo solombavambahoaka ato anatin’ny faritanin’ny Toamasina teo aloha.

Tonga nanome voninahitra izany fametrahana samboady izany ny filohan’ny antenimieram-pirenena Atoa RAKOTOMAMONJY Jean Max sy ireo minisitra telo mianadahy, minisitry ny stratejia Atoa LALAHARISAINA Joeli Valerien, minisitry ny asa vaventy Atoa RATSIRAKA Roland ary ny minisitry ny rano Rtoa NDAHIMANANJARA Johanita, teo ihany koa ireo manampahefana teto antoerana toy ny lehiben’ny faritra Atsinanana Atoa TALATA Michel sy ny lehiben’ny Distrikan’ny Toamasina I Atoa RABENIRINA Jean-Jacques, teo ihany koa ny filohan’ny Delegasionina manokana ny tampon-tananan’ny Toamasina Atoa RAZAFINDRABARY Toalina.
Tsy tonga niatry izany fametrahana samboadin’izy ireo kosa ny solombavambahoaka izay voafidy tao mahanoro sy brickaville.

Tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nataon’ireo nandray anjara fitenenana dia ny fiarabana sy ny firariantsoa hoan’ireto solombavambahoaka mba hahavita ny adidy masina eto amin’ny firenena. Nilaza ny filohan’ny antenimieram-pirenene fa natao teo anatrehan’ny vahoaka ny fametrahana samboady noho izy ireo voafidim-bahoaka, ny fampisalorana azy io izay midika fa misahana andarikitra goavana eto amin’ny firenena izy ireo. Samboady dia natao ampatsiahy ny solombavambahoaka ny adidy aman’adraikaitra masina napetraka ny vahoaka aminy. Io koa sarin’ny firenena antsoroka, antrana ary antahezagna ireo, hoy ihany ny filohan’ny antenimieram-pirenena tamin’ny lahateny izay nataony.
 
(96) Prud'Homme R. : 10-02-2015 - 08:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image