Fitsarana Toamasina  


Fankalazana ny faha 15 taonan'ny cours d'appel


      CNaPS: 60 taona (1956-2016)


  Fifaninanana azakazaka no ho entina ankalazana ny tsingerintaona


  Ady amin'ny famotsiam-bola


  Fahitan'ny manampahaizana vahiny ny zava-misy


  56 taona ny nahazahoana ny fahaleovan-tena


  Nanokana andro niaraha-nifaly ny ekipan’ny Radio Voanio

Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveautés !


des informations et des actualit?s

Login Password
Register Forgot Password?
DREN Atsinanana
FAGNOFOKA 2016
Notontosaina teto Toamasina, tetsy amin'ny kianja malalaka ny STADE Municipal, ny androny Alatsinainy faha 8 aogositra2016 ny lanonana aram-patanjahatena antsekoly teo anivony DREN Atsinanana. Nahatonga solontena avokoa ireo CISCO fito mandrafitra ny DREN Atsinanana : Brickaville - Vatomandry - Mahanoro - Tanambao Manampontsy - Marolambo - Toamasna I sy Toamasina II. Notroniny ireo manam-pahefana maro teto Toamasina notarihan’ny lehiben'ny Faritra Atsinanana. Nisongadina nandritry ny fifandimbiasam-pitenenana, ny maha zava dehibe ny fatanjahan-tena eo anivony fanambiazana, mba hisiany fifaneraserana amin'ny samy mpianatra sy ireo mpanabe, ny fifanakalozana eo amin'ny ireo Disitirika samy hafa
VAVIROA Marcelline : 09-08-2016 - 08:12... Lire la suite

 

1956-2016: 60 taona nisian’ny CNaPS
Hetsika ara-panatanjahantena no ho entina akalazana ny tsingerin-taona
Mankalaza ny faha 60 taonany ny CNaps eto Madagasikara. Hisy ny hetsika manerana ny nosy ho fanamarihana ny faha 60 taona.Azakazana ara-pirahiana sy firaisankina na « Course pour la Fraternité et de Solidarité » anaty lahavirana 5 Km, toy ny azakazaka tsirairay sy "relais".
Ho an'ny Toamasina manokana dia, ny marainan'ny asobotsy 13 aogositra no anatanterahana izany.
Azon'ny rehetra atao ny mandray anjara amin'ny hetsika fankalazana sy ny azakazaka miaraka amin'ny fianakaviam-ben'ny CNaps, ka toy izao ny mahakasika sy sokajy amin'ny azakazaka:
Prud'Homme : 03-08-2016 - 17:09... Lire la suite

 

Tsy misy marika ny mpanao ratsy
Mpadraharaha la vanille very 35 000 000 ariary
Indray alina monja dia najavona ny vola 35 000 000 ariary any ilay mpandrahara saika hividianana la vanille tany amin’ny kominina Ambinany Telo, Distirikan’ny Maroantsetra. Niray efitra fatoriana lay mpadraraha sy i TOTOMAEVA Faustin, lay naka an’ilay vola raha azo tory tanteraka lay mpadraharaha, ny 15 jolay. Fankafantatra sy mpiara-miasa izy roalahy eo amin’ny sehatry ny la vanilla.
Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana ka nanao velam-pandrika nahasamborana ny olo-dratsy.
VAVIROA Marcelline : 02-08-2016 - 12:03... Lire la suite

 

Fanjonona
Fampifitaovana avy amin’ny Ambatovy
Tetsy amoron-dranomasina canada, ny faha 27 jolay 2016 no natolotra hoan'ireo mpanjono mivondrona ao anatin’ny fikambanana 5 mpanjono ireo fitaovam-panjonona miisa sy misokajy toy izao : salotraina 80, harato 160 sy ireo kojakoja miaraka amin'izany ary vata fampangatsahana 16. Miodidina 10,5 tapitrisa ariary ny tetibidy ireo fitaovana natolotra ho an’ny fikambanana 5, izay ahitana mpanjono miisa 120, mizara amin'ny fokontany Ambodisaina Ivondro sy Analakininina
VAVIROA Marcelline : 01-08-2016 - 13:11... Lire la suite

 

Tsy Fandriampahaleana eto Toamasina
Mpanendaka 7 haly, Ramatoa nangalatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana
Ny faha telo ny volana aogositra 2016 lasa teo no niantso ny mpanao gazety ny teo anivony police central eto Toamasina. Ny mpitandro ny filaminana dia miezaka hatrany ny amin'ny fiarovana ny vaohaka sy ny fananany, somary nafampana ny farany volana jolay no resahina hoy commissaire Manitra.
Araky ireo vokatra azo ny 29 sy ny 30 jolay mpanendaka fito indray no voasambotra tao amin'ny bazary ankirihiry, ambolomadinika sy mangarivotra iny. Efa nigadra ny dimy tamin'ireo ary iray vao nivoaka tamin'ny alatsinainy voalohany volana aogositra teo efa karazany andiany mihitsy izy ireo amin'ny fanaovana izany asa ratsy izany. Ny mampalahelo dia misy mbola
VAVIROA Marcelline : 01-08-2016 - 07:26... Lire la suite

 

Nom de l'image