Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Ady amin’ny aretina lefakozatra (Polio)
  Hetsika famongorana ny polio manerana ny nosy ny 14-18 sept.
  Fanentanana momba ny fanaovanana vakisiny polio izay atao ny faha 14-18 septambra manerana ny nosy ka nanao fanentanana tamin’ny onjampeo Radio Voanio ny talem-paritra ny fahasalamana Dr RABEARISON Frederic sy Dr RAHAMIALISOA Noro Voangy (Responsable Communication et Partenariat ao amin’ny hopitaly kely) ary Dr ANDRIHAMAHEFA Holiva (Mpandrindra-paritra ny tetik’asa USAID mikolo). Inona ny zava misy manerantany sy teto madagasikara momba ny polio:1988 dia niditra amin’ny famongorana ny polio melithe ny heran’izao tontolo izao, ka ny ady tamin’izany taona izany dia ny famongorana ny virus sauvage; ny teto madagasikara ny taona 2002 2005 2011 dia nahitana indray ny vpdv izay mbola poliot typa 1 izay narahina fanaovana vakisiny tamin’ireo toerana nahitana azy sy nanerana ny nosy tamin’izany fotoana izany io no nambaran’ny Dr RAHAMIALISOA Noro Voangy tamin’ny fanentanana nataon’izy ireo, tamin’ny taona lasa dia nahitana karazana tranga iray tany analalava sy nosy varika dia mbola karazana type VPDV io ihany no hita ny faraparan’ny 2014 efa nanao vakisiny ny Ministeran’ny fahasalamana.
Tamin’ny volana decembre teo nefa dia mbola nahitana tranga izay tafakatra folo teo eo araka izany dia nanapakevitra ny fanjakana sy ny mpiaramiombonantoka sy sy ny OMS mba ahafahana tena hamongorana io aretina lefakozatra io dia tsy maintsy hoezahina ny tsy hisian’io virus io raha ny fanazavana nataon’ny Dr RAHAMIALISOA Noro Voangy nilaza ihany koa izy fa isan’ny tohin’ilay vakisiny natao ny volana aprily sy ny volana aogositra izao natao izao izay nohamarihany ihany fa nahitana fihenana ny fanaovambakisiny izay tsy nisy afa tsy 78% ihany ny salapavitrihan’ny Ray aman-dReny nanao ny vakisiny ny zananany ka ny tanjona hoy izy ny hampiakatra io taha io ho 95%.

Hoan’ny talemparitry ny fahasalamambahoaka kosa dia nanazava ny fomba fisorohana sy ny fomba azahoana io karazana aretina lefakozatra io izy; azo avy amin’ny fisotroana ny rano maloto sy ny sakafo ahitana rano maloto mifindra ihany koa izy io amin’ny tanana malotoraha mampiditra sakafo amin’ny vava iny, ary nohamarihany fa ao anatin’ny kaka (tay) no ahazoana io aretina polio io.
Ahoana kosa ary ny fomba fisoroana?
Isany fisorohana voalohany amin’ny polio ny fanaovambakisiny eo ihany koa ny fahadiovana toy ny fanasana ny tanana alohany hikarakara sakafo rehefa avy any aminn’ny WC eo ihany koa ny fanasana ny voankazo ny ananana alohany hinanana azy sy handrahoana azy eo ihany koa ny fisotroana rano madio sy finanana sakafo masaka sy madio ary mafana eo ihany koa ny fampiasana kabone madio

Isany mpiaramiombonantoka sy manohana ity fanaovana andihambakisiny polio ity ny tetik’asa USAID mikolo izay nanampy tamin’ny fanentanana ihany koa i Dr ANDRIHAMAHEFA Holiva Mpandrindra-paritra ny tetik’asa USAID mikolo nanambara izy fa efa andohalika ny ranombary ary efa manamotitra ny antsana isika izao hoy izy ary nanentana ireo mpiaramiombonantoka koa izy amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fiarahamiasa amin’ny Ministeran’ny fahasalamana nambarany fa hoan’izay tsy manao vakisiny dia tokony hifanome tanana amin’ny fitaterana ny fanafody sy ny fanarahamaso nanentana ireo ray aman-dReny ihany koa izy mba hanaovana ny vakisiny ny faha 14 septembra ka hatramin’ny faha 18 septambra ho avy izao, nasihany resaka koa momba ny ady amin’ny loto izay isan’ny antony mahatonga ny aretina lefakozatra.
 
(110) Prud'Homme R. : 15-09-2015 - 08:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image