Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Noelin'ny Ankizy 2015
  Ankizy 30 mahery no niara-nifaly tamin'ny Radio Voanio
  Nankalazaina ny asabotsy 19 desambra 2015 lasa teo ny noelin’ny ankizy teto amin’ny Radio Voanio. Toy ny fanaon’ny onjampeo, FM 98.2, isan-taona dia tsy manadino ireo ankizy sy mpanaraka ny onjampeo, ireo zanaky ny mpisa ao aminy. Samy nahazo ny anjarany avoakoa ny tsirairay. Nizara maromaro ny lanonana ka ny fizarana voaloha dia ny fampilalaovana ny ankizy tamin’ny alalan’ny dihy sy ny tsianjery.
Niisa 30 mahery ireo ankizy no niatrika ity hetsika isan-taona izay ataon’ny Radio Voanio. Iasany nampiavaka ity noelin’ny ankizy tamin’ity taona ity dia ny fandihizan’i Dadabe noely niaraka tamin’ireo ankizy; dihy isan’ny ankafizin’ireo kilonga madinika dia tsy inona izany fa ny dihy Gwetta.
Tamin’ny fizarana faharoa kosa dia nafanain’ireo tarika "amazing dance" ny sehatra. Samy nahazo fahafinaretana avokoa ny rehetra na ireo ankizy madinika na ireo Ray aman-dReny izay niatrika ny lanonana. Tamin’ny fizarana fahatelo no tena nadrasan’ireo ankizy, dia ny fizara kilalao nataon’i Dadabe noely tamin’ireo ankizy. Feno hafaliana tanteraka ny ankizy sy ny Ray amand-Reny, samy tsy nisy diso anjara ny rehetra ka samy naneho ny fahafahampony avokoa. Naheno fisaorana avy ny Ray aman-dReny, nandritran’ny fandraisan’izy ireo fitenenana, ka nisaotra ny ekipan’ny Radio Voanio rehetra tamin’ny famalifaliana sy ny zava-bita hatramin’izay. Nisy fametrahana fahatsiarovana, fiarahana maka sary tamin’I Dadabe noely sy ny rehetra no namaranana ny lanonana.
Marihana fa “Noelin’ny Ankizy” andiany faha efatra no nankalazaina teto amin’ny hefitrano malalaky ny Radio Voanio, ny asabotsy 19 desambra lasa, ary mbola ho hisy hatrany ny fankalazana izany isan-taona.
izahay eto amin’ny onjam-peon’ny Radio Voanio dia mirary Krismasy sambatra sy Taom-baovao 2016 ho antsika rehetra.
 
(113) Lantomalala S. : 22-12-2015 - 07:13

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image