Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fanolorana ny fifamatorana ara-kasa
  Mpampianatra FRAM 174 no noraisina ho mpiasam-panjakana
  Nandritry ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena A Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana ao amin’ny governemata maro ary ny manampahefana maro avy amin’ny faritra Atsinanana sy ny avy Antananarivo, ny alatsinainy faha 11 janoary, nanolotra ny vatsin’ankohonana tao amin’ny kaominina Mahavelona Foulpointe, no nanaovana ihany koa ny fanolorana nyfifamatorana ara-kasa na ny “contrat de travail” ho an’ireo mpampianatra FRAM izay noraisiny ho mpiasa-mpanjakana.
Mpampianatra miisa 174 mianadahy izay nokaramain’ny FRAM na Fikambanana ny Ray aman-dRenin’ny Mpianatra anatin’ny Distrika Toamasina I sy Toamasina II, noraisina ho mpiasam-panjakana mba ho anamafisana ny sehatry ny fanabeazana sy fitsinjovana ny Ray aman-dReny.
Isan’ny laharampamehan’ny fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny lafin’ny fampiaranana sy fanamevanana ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly, avy amin’elalan’ny fanampiana ny Ray aman-dReny amin’elalan’ny tetik’asa maro sy ny fampitombona ny isan’ny mpampianatra.
 
(117) Marcelline VAVIROA : 12-01-2016 - 10:26

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image