Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fankalazanna ny iray volanan’ny mpampianatra FRAM
  Fanolorana fifanarahana arak’asa tany Manampotsy
  Notanterahina tao amin'ny Disitirikan’ny Manampotsy ny fizarana ny taratasy fifanarahana arak'asa tamin'ireo mpampianatra FRAM izay noraisina ho mpiasam-panjakana, sy ny fanjakana, alatsinainy 29 febroary 2016. Toy ny faritra rehetra manerana ny nosy dia nahazo ny anjarany ihany koa ny faritra Atsinanana amin'ireo Disitirika fito mandrafitra azy. Miisa 27 ireo mpampianatra FRAM notolorana ny fifanarahana arak’asa. Nisy ihany koa faomezana fitaovana toy ny vata fahita lavitrafahita 3, plaque solaire 6 miaraka aminy ireo kojakoja ary tablette 50 avy tamin'ny minisiteran’ ny fanambizam-pirenena.

Ny lanonana dia notarihin’ny solon-tenan'ny DRH avy any amin'ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena, ny taleny faripiadidim-pampianarana Atsinanana Atoa SAMBANY Frederic sy ireo mpiaramiasa aminy ; notron’ireo manamahefana tany antoerana, ny solobavam-bahoka voafidy tany Atoa MAHARAMBY Jean Espérant, ny lehiben’ny Disitirika Atoa HERILAZA Jean Nuny, ny Ben'ny tanana AtoaRAZAFINDRAZAKA Felix.

Taorian’nyy lanonana fanolorana dia niroso taminy fanehona sy fizarana ampahibe maso ny lisitra ireo mpampianatra noraisina amin'ny andiany faha 3 ka natao ankarihary izany nafahana nametraka fanotaniana sy fanazavana feno hoan'ireo mpampianatra izay voakasika.
Hafaliana tsy homby tratra narahi-pisaorana no natolotr'izy ireo hoan'ny fitondram- panjakana sy ny minisiteran'ny fanambiazam-pirenena tarihi-ndriamatoa.
 
(118) Marcelline VAVIROA : 01-03-2016 - 11:15

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image