Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Jeune Chambre International Toamasina
  Nanolota ny asa vita tao amin’ny EPP Ambohijafy
  Navaozin’ny JCI na ny Jeune Chambre International eto Toamasina indray ny tranom-pianarana 2 efitra etsy amin’ny EPP Ambohijafy, izay fanatsarana niharahan’izy ireo niaraka tamin’ ny ZAZASOA, izay fikambanan’ny mpianatra any Frantsa mpiara-miasa efa ela amin’ny JCI eto Toamasina. Efa nisy ny fanavaozana ny tranom-pianarana efitra roa ny taona 2016, ka izao nahazo ihany koa tamin’ity taona ity. Tonga nanome voninahitra ity lanonana fanolorana izao foto-drafitr’asa izay natao tamin’ny faha-12 jolay 2017 izao ny talekabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny DREN Atsinanana ary ny lehiben’ny farim-piadidian’ny fampianarana Toamasina ambony sy ireo telen-tsekoly ary ireo ray amamn-dRenin’ny mpianatra. Sekoly nampalahelo ny EPP Ambohijafy raha araka ny nambaran’ny Rtoa Razafindrafezaka Elina, raha nampitahana tamin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana, araka izany dia tombony ho azy ireo ny fahatongavan’ny JCI sy ny ZAZASOA satria efa nanomboka ny taona 2012 no nanombohan’ny fiaraha-miasa tamin’elalan’ny fizarana fitaovana maro samihafa. Manana fomba fiasa takina iraisana izy ireo ka nandritry ny asa fanavaozana dia misy Ray aman-dRenin’ny mpianatra 2 no miaraka miasa amin’izy ireo. EPP Ambohijafy izay efa nihorina tamin’ny taona 16 Aout 1950 ka nahatratra 140 ny mpianatra tao tamin’izany fotoana izany ary 492 ny isan’ny mpianatra tamin’ity taona 2017 ity, ary nahazo 80% ny tahapahafahan’ny mpianatra tamin’ny fanadinana CEPE 2017. Ho an’ny Jeune Chambre International, kosa izay ahitana tanora 18 taona ka hatramin’ny 40 izay hita manerantany. Hoan’ny eto Toamasina, izay miezaka mampivoatra ny tanora mba hiditra bebekokoa sy ny fandraisana anjara amin’ny asa sosialy ho famandrosoana tanana. Efa naharitra 7 taona ny fiarahana miasa teo amin’ny ZAZASOA sy ny JCI, ary sekoly miisa 8 eto Toamasina no navaozin’izy ireo ary efa nisy ihany koa ny fizarana tablette, ny solosaina ary fitaovampianarana. Mbola hitohy ireo asa izay efa fanao ary izahina ampitomboana izany amin’ny taona ho avy hoy ny filoha lefitra mpanatanteraka an’ny JCI Toamasina, Atoa Randriamanantena Mac Laurin.
 
(146) R Prud'Homme : 12-07-2017 - 15:12

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image