Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Noelin’Ankizy 2017
  6èmeédition
  Tontosa ny asabotsy faha 23 desambra ny hetsika izay karakarain’ny Radio Voanio, isan-taona, ny Noelin’Ankizy. Ankizy avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany na EPP miisa enina no nandray anjara tamin’izany. Kilonga miisa 30 avy amin’ny kilasy GS na CP1 no naira-nidola, nihira sy nampiseho talenta.

Isany nampiavaka itony andiany faha enina itony ny teo amin’ny safidy nandraisana ireo ankizy. Nitety sekoly enina ny ekipan’ny Radio Voanio mba ampanao ankitsapaka ireo ankizy mandray anjaraamin’ny noelin’ankizy andian’ny faha enina. Ka ireo ankizy dimy isaky ny sekoly, izay tsara vintana no nomena fanasana miaraka amin’ny Ray amandReniny, hankalaza ny noelin’ankizy tamin’ity taona ity.

Hafaliana no nameno ny hitranomalalaky ny Radio Voanio tamin’ny fitsenana ny Dadabe noely, izay tonga nizara vatomamy, chocolate, biscuit, zava-pisotro mba ho fanalana hetaheta. Niara-nihira sy niara-nandihy tamin’ireo Ankizy i Dadabe noely, ary nifaranany ny fitsidihany tamin’ny fizarana dola maro ho an’ireo ankizy.

Naneho ny fisaorana ireo Ray amandReny tonga niatrika ny lanonana tamin’ny hafalian’ireo ankizy nandritran’ny fety noelin’Ankizy. Teo ihany koa ireo mpihaino ny Radio Voanio izay nanaraka ny lanonana mivantana tamin’ny FM 98.2, izay nandray anjara mavitrika tamin’ny antso antaribia sy someso.
Isaorana avy ireo ny talen-tsekoly enina, EPP Dépot Analankininina, EPP Vatosoa, EPP Pointe Tanio, EPP Ambohijafy, EPP Esperance, EPP Tsiry, teo amin’ny fiaraha-miasa.
 
(147) JL : 28-12-2017 - 08:33

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image