Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fifidianana 2018
  Hotomobana araka ny tokony ho izy ve?
  Fifidianana io no lohahevitra niarahana tamin’ny fandaharana Miray Feo ho an’ny fiarahamonina mirindra tamin’ny onjam-peo Radio Voanio, FM 98.2, ka nanasana an’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Toamasina II Atoa Roilahy Jonah teo ihany koa Atoa Maro Roland, President Commission Electoral - Provincial de Toamasina, ary Rtoa Viviane Rahariniaina avy ao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Nafana ny adihevitra ny mpihaino ihany koa dia niezaka ny naneho ny heviny na tamin’ny alalan’ny 034 44 444 44 na tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny facebook Voanio Toamasina.

Voaresaka nandritra ny fandahara fa ilaina ny fifidianana na dia efa maro aza ny mikaikaika fa tsy misy fiovana rehefa lany ireo mpitondra ka lasa kamo mifidy ny olona, nikaikaika ihany koa ireo mpihaino ny amin’ny tsy fahitana fisokafan’ny CENI matetika eto Toamasina, ny tsy fahitana ny anarany ao amin’ny site web ny CENI nefa hita eny amin’ny fokotany, betsaka ny raha tsy mazava mahakasika ny fifidianana hoy ireo nandray anjara tamin’ny SMS sy ny afatra manokana tamin’ny Facebook. Nitondra ny valiteny sy fazava ireo vahiny nasaina sady nanambara fa ny tsy fifidianatsika vao mainka mampikorosy fahana ny firenena.
Ireo mpanao politika kosa anefa etsy ankilany dia tokony anao ezaka mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’izy ireo.
 
(148) Lanto : 16-02-2018 - 09:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image