Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fankalazana ny andro manerantany hoan’ny Rano
  Andro hafakely ny teto Toamasina
  Nankalazaina anio 4 aprily ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano raha ny 22 martsa ny andro ankalazana ho an’ny rano manerantany; teto Toamasina kosa ny andron’ny faha 4 volana aprily andoany vao afaka nankalaza izany ka tao amin’ny hefitrano malalakin’ny faritra tetsy Mangarano I no nankalazana izany.
Tonga nanotrona izany, zareo avy ao amin’ny faritra Atsinanana, izay notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana, ny lefitrin’ny lehiben’ny Distrika, ny solontenan’ny Commune Urbaine Toamasina sy ireo ratsamangaika isankarazany izay notarihan’ny Tale iraisam-paritrin’ ny rano eto Toamasina, ny coordinateur eto Toamasina, ao anatin’izany moa ireo fikambanana samihafa, ireo ONG, ny avy ao amin’ny boriboritany, ny filohan’ny Fokotany sy ireo tsara sitrapo izay mpikambana ao anatin’ity vondrona ity, ka mahatra 33 ny isan’ny mpikamba .
“Tsy eto Toamasina irery no manana olana mahakasika ny rano fa na ny amin’ny toerana kely rano na manerantany mihitsy aza mbola vohakasika izany. Mbola manana tombony ny eto Madagasikara, satria mbola mampiasa loharano avokoa, tsy mbola misy ny fanadiovana sy famadihana ny rano maloto ho rano fisotro zay misy any amin’ny toeran-kafa. Raha ny eto Toamasina dia efa misy ny ezaka izay iarahana amin’ireo mpiaramiombonantoka, efa misy ny tetikasa maromaro momban’ny rano.” Ireo no nambaran’ Tale iraisam-paritrin’ ny rano eto Toamasina. Ary mbola nambarany ihany koa fa ny JIRAMA, ny Commune sy ny ministera no tompon’antoka amin’ny fanomezana ny rano fisotro madio.
Ny lohahevitra noentina nankalazana ny andro manerantany ny rano tamin’ity taona ity dia ny hoe: “Mitaky angovo tsara tantana ny fahazahoana rano fisotro madio.”
 
(28) Marcelline VAVIROA : 04-04-2014 - 18:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image