Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fampitaovana ny toeram-pitsaboana
  Nahazo toeram-pitsaboana nify vaovao CSB II Ankirihiy
  Nitokanana ny alatsinainy 5 may, ny toeram-pitsaboana nify vaovao sy raitra tao amin’ny CSB II Ankirihiy, tonga natrika izany ny Ministrin’ny Rano sy ireo mpiasan’ny fasalamana eto toamasina.
Fantara fa efa nanana efitrano fitsaboana nify ity CSB II ity, saingy tsy ampy izany, ary tao anaty efitrano izy taloha ka navoaka ivelany izany amin’izao.

Olona 100 isam-bolana no manao fizaha-nify, 80 amin’ireo no manala nify, ary 20 kosa ny mitsabo nify, arak’izany toeram-pitsaboana be mpanjifa indrindra raha ny eto Toamasina ny CSB II.

Nampiarahana tamin’ny fanokafana ny herin’andron′ ny fahasalamanan′ ny Reny sy ny Zaza ary ny herin’andron′ny afrikanina amin′ny fanaova-mbakisiny, araka ny nambaraban’ny Médecin inspecteur eto amin’ny Distrikan’ny Toamasina I.
 
(37) Prud′homme RAKOTOSON : 06-05-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image