Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  3 may, andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety
  Niara-nanao lohabary andasy ny vodron’ny mpanao gazety teto Toamasina
  Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety teto Toamasina, nanao loabary andasy amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy fijerena ireo karazana sakana amin’ny fanatanterahana ny asan’ny mpanao Gazety no noresahana.

Fantra ary fa nifampitaona tetsy amin’ny foiben’ny UJIRT (Union de Journaliste Inter-Regional Toamasina) tao amin’ny Maison de l’information ny asabotsy 3 mai 2014 lasa teo.
Araka ny nambaran’Atoa Stive, mpikambana ao UJIRT. Araka ny nambarany hatrany fa, nosafidin’ny UNESCO ny lohahevitra hoe: “La liberté de medias pour un avenir meilleur contribuer à l’agenda de développement poste 2015” , ty farany izay nanazava fohofohy momba io lohahevitra io fa ho fimbanjinana sahady ny fampandrosoana avy amin’ny anjarabirikin’ ny mpampahalala vaovao aoriana ny taona 2015 sady fanajana ihany koa ireo lalana mifehy ny asa fanaovan-gazety eto Toamasina.

Atoa Joël RAKOTOMALALA, isany zoky amin’ny asa fanaovan-gazety eto Toamasina, nanambara mantsy izy fa mitovy ny asa fanaovan-gazety fa ny mampiavaka azy dia ny iray ambava na amin’alalan’ny onjampeo ny iray kosa antsoratra ary eo ihany koa ny eo amin’ny haino amanjery ; fa mihankina amin’ny mpanao gazety hatrany ny mampalalaka sy ny tsy mampalalaka.
 
(38) Prud′homme RAKOTOSON : 06-05-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image