Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Symposium National 2014
  Laombary Andasy tao Mahajanga
  “Izay ela nietazana lava volo, Vilany mitongilana izay tsy nety harenina.″

Notontosaina tao Andrenivohitrin’i Boeny, tao Mahajanga ny 28-29-30 aprily lasa iny. Fihaonamben’ ireo mpitazona fomban-drazana eto Madagasikara notarihin’ny FCRTM (Fédération des Communautaires Royales Traditionnelles de Madagascar).

Lombary andasy nandinihana foto-kevitra telo: ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza, ny Zon’olombelona ary ny Fanabeazana. Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny 28 aprily, andro voalohany, notron’ny Ministrin’ny Mponina sy Fiahina ara-tsosialy, Rtoa Johasy Raharisoa Eléonore, ny masovohan’Indonesie miasa eto Madagasikara, Atoa Athaloto Samoena Aganiodate, Rtoa Agate Lesone avy tamin’ny FNUAP izay natsy vola sy nanao tolotanana an’ity loambary andasy ity, avy tao iBoeny kosa izay notarihin’ny lehiben’ny faritra Atoa Abdila Jafara sy ny lehiben’ny Distrika Mahajanga I sy Mahajanga II, ny PDS ny tananan’ny Mahajanga renivohitra.
Ny andaniny kosa, notarihan’i Princesse Ilakovelo Zoanah filohan’ny FCRTM, sy ireo Mpanjaka Andriana, Tangalamena, Sojabe, Olobe ireo mpitazona fomban-drazana avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara. Nivotra tamin’ny kabary fanokafana ny fahatsapan’ireto mpitazona famban-drazana ireto ny adidy sy anjarabiriky eo amin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara amin’ny fampahafantara ireo tanora eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, ny zon’olombelona sy ny fanabeazana teo aloha sy amin’izao fotoana.

Nisy ny fikonan-doha ny mpizaika 156 izay nadinihana olona maro fahita amin’ny fiaramonina toy ny mahatonga ny tanora miroso aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo, tsy fanajana ny zon’olombelona, sns, ka toy izao ny fehinkevitra navoitra tamin’izany :
Andraikitry ny Ray aman-dReny na ara-drazana no:
- Manome torolalana hoan’ny taranaka.
- Fanabezana ny olona sy andresy lahatra ny Ray aman-dReny mba hampiditra ny zanany antsekoly ary hapetraka ny dina isam-poko isam-paritra hoan’ny Ray aman-dReny tsy manaraka izany.
- Manamafy ireo kolotsaina (Angano) ho fanabeazana ny ankizy.

Ankinina amin′ny tompon’andraikim-panjakana ny fanamora ny fifandraisana eo amin’ny mpamatsy vola, ary avantana tanteraka amin’ireo mpitazona fomban-drazana ny fanampiana.
Samy naira-nanao sonia ireo mpanjaka rehetra sy ny solontenam-panjaka fa vonona hametraka ny zavatra tapaka.
 
(39) Marcelline VAVIROA : 05-05-2014 - 17:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image