Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Famatsiana avy aiza, ary ho entina anaovana inona ?
  Basim-borona calibre 12 miisa 360 miaraka amin’ny cartouche miisa 3292 sy basim-borona calibre 16 miisa 225
  Taorian’ny fizahana izay natao toy ny mahazatra amin’ ireo entana miditra ao amin’ny seranan-tsambo tao amin’ny Môle C1, ny andron’ny 22 mai 2014, tamin’ny 10 ora maraina, izay natrehin’ireo mpitandro filaminana tarihin’ny Atoa Liée, commissariat spéciale de police de port de Toamasina, fantatra fa nisy fiara marika Mercedes Forgon izay nahitana basim-borona calibre 12 miisa 360 miaraka amin’ny cartouche miisa 3292 sy basim-borona calibre 16 miisa 225.
Araka ny taratasy momba ity fiara ity dia niainga avy tany Belgique tamin’ny 16 avril 2014 ny sambo nitondra azy ka izao nigadona eto Madagasikara izao.

Tsy mbola namoaka avy hatrany ny anaran’ny olona tompon’ireo fitaovanam-piadiana ireo ny mpitandro filaminana, fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy sy zandary eto antampon-tananan’ny Toamasina.

Ity no fitaovam-piadiana betsaka indrindra tratra tato anatin’ny telo taona raha ny tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina manokana no asiandresaka.
Miteny hoazy ny zava-misy, ireo isan’ireo fitaovam-piadiana ireo no jerena ary manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny fanambarana mialoha mahakasika ny fisian’ireto fitaovana ireto izay midika fa nafenina tao anatin’ny fiara, ary azo heverina fa hoentina hanamafisana ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara izany.
 
(46) Erino R. - Prud′homme R. : 22-05-2014 - 17:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image