Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Akon′ny andro manerantany ho an′ny tontolo iainana
  Tsy nahasakana ny vahoaka ny toetry ny andro
  « Miraisa feo, ‘ndao hiara-hiady amin’ny fiovan’ny toetr’andro izay fototry ny fiakaran’ny ranomasina »

Io no lohahevitra nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izay nomarihina nanoloana ny Hotel de Ville.
Filaharam-be tao anaty fifandibiasan’ny orana sy ny masoandro, vao maraina ny alakamisy 5 jona 2014, niainga manoloana ny CRJS ary nihazo ny bazary kely ka nipaka hatrany amin’ny Avenue de l’Independence, narahina fihetsika fanadiovana ny sisin-dranomasina manoloana ny La Seal ary nitohy tamin’ny kabary ofisialy nanoloana ny lapan’ny tanana io antoandro io, ka nahitana Mpianatra, olon-tsotra, mpandraharaha ary manampehafana izay nisolo-tena ny fitondram-panjakana izay notarihin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana sy ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala. Ho an’ny faritra Atsinanana manokana dia efa misy ny politika iombonana hikajiana ny tontolo iainana toy ny fanadiovana ny canal sy ireo fotodrafitrasa maro izay mbola andalam-pamolavolana, io no nambaran’ny lehiben’ny faritra Atoa TALATA Michel.
Fa manana ny andraikiny ihany koa ny avy eo amin’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ato anatin’ny faritra Atsinanana, izay tarihin’ Atoa BOTOVAVY Dieudonné, ka ny fanentanana sy fampianarana ho an’ny sarababem-bahoaka hiaro ny tontolo iainana no isan’ny imasoan’izy ireo.
 
(51) Erino RAZAFIMANANA : 05-06-2014 - 17:50

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image