Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Namory ny mpandraharaha ny orin’asa Holcim
  Fifanakalozan-kevitra sy fizarana traikefa no nandaniana ny fotoana
  Manorina mba aharitra io no teny filamatry ny orin′asa Holcim eto Madagasikara. Nanao atrik′asa fifanakalozana sy fizarana traikefa tamin′ireo tambato teto Toamasina ny orin′asa Holcim, ny asabotsy 2 aogositra lasa teo, tao amin′ny Restaurant miramara. Izao natao mba nanaovana fifanakalozana tamin′ireo mpanjifa sy mpampiasa simenitra izay vokarin′ny Holcim. Atrik′asa notarihin′i Rtoa Nirina RABEZANDRINA, tale ara-barotra ny holcim eto Madagasikara sy ireo mpiara miasa aminy ato Toamasina.
Tonga nanotrina izany ihany koa ireo entreprise sasantsasany sy ireo mpivarotra brique vita amin′ny simenitra teto Toamasina. Isany nivohitra tamin′io hetsika io ny haro loza raha mampiasa simenitra vitan′ orin′asa Holcim, araka ny fantatra mantsy tao anatin′ny 60 taona izay dia mihezaka manatsara ny vokatra hatrany izy ireo sy manakaiky hatrany ireo mpanjifa ny vokatra. Toerana roa ihany no ahitana ny vokatra vokarin′ny Holcim dia ny ao Ibity Antsirabe ary ny eto amin′ny Port Toamasina. Mahatratra 480 000 Tonnes isan-taona mantsy ny simenitra vokarin′izy ireo ary miparitaka manerana ny nosy. Hetsika efa fanaon′izy ireo isan-taona toy izao mba ho fanakalozana amin′ireo matianina, misy ihany koa ireo paikadin′izy ireo amin′ny fanatonana misimisy kokoa ny mpanjifa.
 
(66) Prud′Homme RAKOTOSON : 04-08-2014 - 08:30

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image