Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Nankalaza ny faha 65 taona ny Republique Populaire de Chine
  Lanonana nanasana ny mpitondra fanjakana eto an-toerana
  Nankalazaina ny talata faha 29 septembre 2014 teo teto Toamasina ny faha 65 taona nananganana ny Repoblika Entim-bahoaka an’i Chine. Somary aloha ihany ity fankalazana ity satria raha ny tokony ho izy dia ny 30 septambre no hanatanterahana izany saingy nosafidina manokana ity faha 29 septembre ity ho an’ny fankalazana.
Lanonana tsotsotra nefa, nanana ny maha izy azy no natao ny andron’ny 29 septembre tao amin’ny efitrano fanaovam-pety tao amin’ny congregation chinoise, Ampasimazava.
Lanonana izay notarihin’ny Consul chef de poste an’ny Repoblika entim-bahoaka an’ny Chine izay miasa sy monina eto Toamasina, Atoa ZHU KAIXIAN sy ireo mpiara miasa aminy. Nanasana ireo manam-pahefana eto an-toerana, nahitana ny lehiben’ny faritra atsinanana Atoa TALATA Michel sy ireo mpiara-miasa aminy, ny avy ao amin’ny Comune Urbaine Toamasina, notarihin’ny PDS AtoaTOALINA Razafindrabary sy ny lefitra faharoan’ny delegasionina manokan’ny commune urbaine Toamasina Rtoa NAROVE Soamamy.

Raha tsiahivina fohy ny lahateny izay nataon’ny Atoa ZHU XAIXIAN dia natsidiny ny tantaran’ny fampandrosoana ara-barotra sy ara-pifandraisana ary ara-diplaomatika nisy teo amin’ny Chine sy firenena Afrikanina, indrindra ny teto Madagasikara ary tsipihina manokana ny eto Toamasina. Porofon’izany ny fisin’ireo hopitaly sy ireo jiro poto solaire ireo misy eto an-tapotanana ,eo koa ny lalana mihazo an’ny Vatomandry - Mahanoro sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Ankoatra ireo voalazany ireo dia azo lazaina ho matotra ny fiaraha-miasa sy ny fifanampiana eo amin’ny Chine sy Madagasikara, manaporofo izany ny mbola hitoizan’ny asa sosialy ataon’ity firenena ity eto Madagasikara, eo ihany koa ny fahafahan’ny zanaka Malagasy mandranto fianarana any Chine. Nararaotina ny fotoana, nitondra ny teny fiharabana amin’izao faha 65 taona ny nananganana ny repoblika entim-bahoaka ao chine izao sy fankasitrahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, kabary izay nataon’ny lehiben’ny faritra Atsinanana AtoaTALATA Michel.

 
(80) Lantomalala SAHONDRANIRINA : 01-10-2014 - 10:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image