Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fankalazana andro iraisam-pirenena ho an’ny tovovavy
  Viavy arô zahe
  Io ny lohahevitra fankalazana andro iraisam-pirenena ho an’ny tovovavy izay natao ny faha 11 sy 12 volana oktobra lasa teoa .Fantatra ary fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asabotsy faha 11 oktobra lasa teo ny fankalazana nasionaly ary tonga nanome voninahitra izany ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisitry ny rano, ny solombavambahoaka voafidy teto Toamasina, ny filohan’ny delegasionina manokana ny tampon-tanana ny Toamasina sy ireo fikambanana tanora maro samy hafa.
Ity lanonana ity izay nihalohavana carnaval nanomboka avy teny amin’ny CRJS ary nifarana teo nanoloan’ny lapan’ny tanana. Araka ny nambaran’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena dia tovovavy telo isan’andro no maty ampiterahana nony vohoka aloha loatra; eo ihany koa tsy mitsaha mitombo ireo tanora zazavavy mivarotena sy miditra eo amin’ny sehatry fanambadiana aloha loatra na latsaky ny 18 taona.tamin’izany ihany koa no nanambaran’ny minisitra ny tanora sy ny fanatanjahantena fa hisy ny fanentanana ireo tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ireo tanora marefo eto Toamasina mandritra ny telo volana.
Ny tolak’andro ny asabotsy kosa dia nisy ny dinidinika izay narahina fandresendahatra na plaidoyer izay nanasana ireo manampahefana teto an-toerana fa saingy nahagaga dia tsy nisy na iray tamin’ireo mpitondra fanjakana no tonga tsy fantatra na ny mpitondra no be adidy sa ve tsy firaharahiana ny zatovovavy ny mahatonga ny taha ny fivarotantena ny ankizy vavy tsy ampy taona no mirongatra eto amintsika ?

Raha ny zava-misy aloha dia dia nanova fomba fiady ny talen’ny tanora sy ny fanatanjahantena teto amin’ny faritra atsinanana efa fomba fiady mahazatra atramizay io.
Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny fandarisan’ny mpanakanto iray tsy iza izany fa gangstabab izay namoronany hira manokana mihitsy ity hetsika ity,nanambara ity mpanakanto ity fa tohiny ilay hira «hanambady aho »ilay sanganasa «soa ihany aho fa…» nambarany fa misy ny valinkaftra tamin’ilay sanganasa novokariny satria maro irao manao parody an’ity sangan’asany hoy izy. Araka ny fanadihadihana natao hatra dia nofaranana tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena izao hetsika nataho teto Toamasina.
 
(82) Prud'Homme RAKOTOSON : 14-10-2014 - 08:20

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image