Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fitokanana orinasa mpanokatra Ethanol, 33km miala Toamasina amin’ny RN5
  Vinavinaina fary 30 tonnes isan’andro no ilaina amin’ny famokarana
  Nitokanana tamin’ny asabotsy 13 desambra lasa ny orin’asa ETAMAGA mpamokatra ethanol, ao fokotany Ankadirano, Firaisana Foulpoint, 33 km miala ny Toamasina renivohitra. « Natsangana ny orin’asa nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara mba hisiana fambolena fary zay hanampy amin’ny fanatsarana ny toetr’andro, eo ihany koa ny fiezahana hihiditra amin’ny energie renouvelable » hoy Rtoa Claudine TSE, Tompon’adraikitra voalohany sy tompony ny orinasa.
Lanonana nantomboka tamin’ny fivavaha sy fisaorana ny Andriamanitra, narahan’ny kabary nifandim-biasana ary ny fitsofandrano. Nisy ny fiaraha-misakafo sy ny fiaraha mifety izay namaranana ny lanonana. Tonga nanatrika ny fitokanana ny solon-tenam-panjakana maro avy amin’ny foibe sy ny avy eto antoerana. Natolotra ho any orinasa tamin’io andro io ny taratasy fahazahoana alalana hamokatra ny Ethanol.
Ny ethanol dia alcool azo avy amin’ny fary, azo ampiasaina amin’ny zavatra maro, azo atao fandrehitra ao antokatrano, azo ampiasaina amin’ny fanadiovana fitaovana, sns. Tsy mifidy karazany fary izy ity fa mety avokoa ny fari rehetra izay misy amin’ny faritra, sady mbola manana ny toerana maha izy azy ny faritra Toamasina raha ny fary no resahina.
Fary 30 tones isan’andro no ilain’ity orinasa ity raha tena miroso amin’ny famokara, izay mety hahazahoana 300 hl hoy Atoa Etienne, Chef d’usine.

Mbola andrana fanodinana ny milina sy famokarana vitsivitsy no natao ka vinavinaina ho amin’ny volana may 2015 any vao miroso mafy amin’ny famokarana satria mbola andalan-mpikarohana ny lalam-barotra andehafana ny vokatra; eo ihany koa ny fiandrasana ny fitaovana nafarina mba ampiasana ny etanol toy ny receau izay mifanaraka aminy hoy ihany Rtoa Claudine TSE.

Naneho ny hafaliana ny fokotany Ankadirano, izay nisoloin’ny filoha fokotany tena Atoa Justin, satria tombony betsaka amin-jareo ny fisian’ny fotodrafitr’asa toy itony, misy mpividy ny vokatra tantsaha, mampanana asa ny mponina ao antoerana sady mampiroborobo ny fokotany ihany koa.
 
(95) Lantomalala S. : 15-12-2014 - 15:00

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image