Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fiofana sy fifampizarana teo amin’ny mpanaogazety
  Journalisme pour la paix
  Vita soamantsara ny fampihofanana mpanao gazety tohana hoan’ny fandriampahalemana ny faha-17 ,18 ny volana aprily 2015 lasa teo andihatarika voalohany, notontosaina tao amin’ny efitrano malalaka ny radio voanio. Nahitana mpiofana miisa 7 mihanadahy izay avy ao anatin’ny radio 3 mivondrona ao anaty ny coalition des radios pour la consolidation pour la paix:RNM, ViVA, Radio Voanio. Nizotra antsakany sy andavany ny fampihofanana nahitana session miisa valo izay niharahana tamin’ny olona roa hatrany no nitondra ny fanazavana izay narahana fampiharana avy hatrany mba nanamora ny fampitana tamin’ny mpiofana. afapo tanteraka ny mpiofana sy ny mpampiofana .Tamin`ny andiany voalohany izany.
Ny andiany faha roa koasa dia notontosaina ny faha 24,25 volana aprily lasa teo izay nahitana mpandray anjara 7 mianadahy ihany koa iny.nilamina ary afa-po ihany koa ny mpiofana sy ny mpampiofana tamin’izany
Faly ireo mpiofana araka izany satria nitombo ny fahalalany ny asa fanaovangazety nohon’ny fifampizarana traikefa,midika izany fa nisy ny fifanakalozana. fisaorana lehibe no nantolotra anireo mpampiofana nahitana an’i A/toa RAKOTOSON Prud’Homme avy ato amin’ny radio voanio toamasina nahitana ihany koa an’i A/toa ZAMANY Jaen Jacques François avy ao amin’ny RNM Toamasina ary R/toa RAKOTOARIVELO Harivola avy ao amin`ny RNM toamasina ihany koa.
Ny asabotsy tolakandro faha 25 ny volana aprily lasa teo dia nofaranana tamin`ny fomba ofisialy izany fiofanana izany tao amin`ny efitrano malalaka ny radio voanio ihany.
Nontronony ireo taleny radio VOANIO ary taleny radio VIVA sy talem-paritry ny serasera avy eto amin`ny faritra antsinana izany fiofanana izany ka nisy ny fizarana ny marim-pakasitrahana ho an’izay nahavita ny fiofanana.fantatra ary fa dia mitotaly 14 mianadahy no nahazo ny fihofanana momba ny asa fanaovangazety tohana ho an’ny fandriampahalemana.
 
(101) PrudHomme R. : 30-04-2015 - 16:10

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image