Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  TSIAMBATRIAMBATRY 2014
  Fora zaza faobe eto Toamasina
  Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 23 jolay ny fankalazana ny faha 10 taona ny TSIAMBATRIAMBATRY, izay natao tao amin’ny EPP Manangareza. Tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana teto an-toerana sy ireo Ray amandReny ara-drazana. Zazalahy miisa 2105 no voafora sy zazavavy 164 no vita tevitsofina nandritry ny 9 taona nijoroan’ny fikambanana, araka izany nambaran’ny filoha mpanorina Rtoa VAVIROA Marcelline.

Mampiavaka manokana ity hetsika ity dia ny fanehona ny kolotsaina mampiavaka ny fomba betsimisaraka, ary nifasidianana manokana ny anarana ho teny Malagasy azo ampiasaina amin’ny firaisankiana, fifankatiavana, fifanampiana ka hahafahana mahazo vokatra ho an’ny rehetra. Isan’ny hetsika atao anatin’izany fikambanana izany ny fora zaza sy ny tevitsofina ho an’ny zazavavay ; eo ihany koa ireo hetsika ara-javakanto izay mitety toerana maro ato anatin’ny Toamasina I sy Toamasina II.

Raha ny fanazavana voaray dia vondron’olona samy nanana ny fahaiza-manaony no nitambatra niatombohan’ity TSIAMBATRIAMBATRY ity, tamin’ny taona 2004, ary tamin’ny tokatran’olona iray tsara sitrapo no nanaovana an’izany. Tsirikevitra niforona avy tamin’ny mpiaramiasa tamin’ny onjampeon’ny Radio Voanio ny TSIAMBATRIAMBATRY.
Zaza miisa 25 mahery no natao fora tamin’ny andro fanokafana ary mbola hitety fokontany maro eto Toamasina ity hetsika ity.

Fandaharam-potoana Tsiambatriambatry 2014:


  • Alatsinainy 21 jolay
  • : Fangatahan-tsodrano amin’ny tangalamena
  • Alarobia 23 jolay
  • : Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny EPP Manangareza
  • Zoma 25 jolay
  • : ao amin’ny EPP Todivelo Raphael - Ankirihiry
  • Asabotsy 26 jolay
  • : ao amin’ny firaisana Morarano
  • Alahady 27 jolay
  • : ao amin’ny firaisana Tanambao V
  • Alatsinainy 28 jolay
  • : ao amin’ny Tanambao Verrerie
  • Alarobia 30 jolay
  • : ao amin’ny EPP Analamboanio
  • Zoma 1 agositra
  • : ao amin’ny Tsaratsiry Mangarano
  • Asabotsy 2 agositra
  • : Famaranana ny hetsika ao amin’ny EPP Todivelo Raphael - Ankirihiry
     
    (64) Prud'Homme RAKOTOSON : 24-07-2014 - 08:30

      Vaksiny "AstraZeneca"
      Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
      Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
     
    (224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

     

      CISCO Toamasina I
      Nizara DLM 221 isa
      Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
     
    (223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

     

      Fetin'ny reny
      Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
      Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
     
    (222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

     

      Lahatenin'ny Filoha
      Misokatra ny lalana manerana ny nosy
      Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
     
    (221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

     

    Nom de l'image