| 09 oktobra 1915 - 09 oktobra 2015 | | Fametrahana tsanga-bato ho fahatsiarovana | | Feno 100 taona ny nisian’ny ady lehibe voalohany izay nanohanan’ny Malagasy an’ny Frantsay niady tamin’ny Allemand tao anatin’ny 04 taona. Araka izany dia nametraka vato fehizoro tao amin’ny Lyc�e Fran�ais Toamasina, ho mari-patsiarovana io ady io ny mpamianatra sy ny fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ny Lyc�e Fran�ais Toamasina sy ny Lyc�e Fran�ais Antananarivo ho mariky ny fifandraisan’ny firenena roa tonta.
Nitantara ireo rakitry ny ela tamin’izany vanim-potoana izany ireo mpianatra avy ao amin’ny Lyc�e Fran�ais toy ny zavatra niainan’ireo tafika malagasy teny anaty sambo nankany ivelany sy ny zavatra niainan’izy ireo teny an’ady iza nanome toky an’ny Frantsay fa hanao izay faraherin’izy ireo teny antanin’ady.
Nitondra antotan’isa ny avy amin’ny ambasadoran’i Frantsa, misahana ny tafika fa malagasy miisa 45863 no nandray anjara tamin’ny ady, 3101 no tsihita popoka, 1865 kosa no naratra mafy, izay fianakavian’ny Frantsay sy Malagasy no nianjadian’ny horohoro sy daroka baomba tamin’izany vanim-potoana izany. Nahery fo ny tafika malagasy satria nahavita niatrika io ady io lehibe voalohany io.
Ny prefect ny Toamasina kosa indray dia nilaza fa isan’ny porofo ny fifamatoran’ny firenena roa tonta ny hetsika fametrahana tsangam-bato fahatsiarovana natao izao satria nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena roa.
Ankotran’ny tao tamin’ny Lyc�e Fran�ais de Toamasina, nisy ihany koa ny Tsangambato ho mari-pahatsiarovana io faha zato taona io ihany, ny teo manoloan’ny Shoprite, eo amin’ny avenue de l’ind�pendance Toamasina.
Tonga nanome voninahitra sy nitokana izany ny lehiben’ny governemanta sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Hita teo avokoa ireo manampahefana maro eto an-toerana, ireo bekotro maro olatra, mpianatra maro sy vahokan’ny Toamasina nanome voninahitra sy niatrika ny fitokanana ny tsangam-bato maripahatsiarovana.
Nisy ny fandraisana ny fitenenana misesy, nisongadina tamin’izany ny fampaherezana, mahery fo ny Malagasy ary efa ela no nisian’ny fifanampiana sy fiaraha-miasa teo amin’ny firenena Malagasy sy Frantsay.
Nisy ny fijerena ny sary fampiratina mampiseho ny zava-nisy tamin’ny 15 oktobre 1915, tao amin’ny lapan’ny Tananan’i Toamasina, ary nofaranana tamin’ny fiarahana miala hetaheta.
Araka izany dia isany tantara tsy azo kosehina eo amin’ny fiainan’ny firenena Malangasy sy ny firenena Frantsay ny andron’ny 09 oktobra 1915.
      
| | (112) Prud'Homme & Anderson : 10-10-2015 - 08:18 | |
|
| Vaksiny "AstraZeneca" | | | Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny | | Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po. | | |
| CISCO Toamasina I | | | Nizara DLM 221 isa | | Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay. | | |
| Fetin'ny reny | | | Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana | | Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany. | | |
| Lahatenin'ny Filoha | | | Misokatra ny lalana manerana ny nosy | | Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021. | | |
|