Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Kominina andrenivohitr’ i Toamasina
  Sorogna famerenan-kasigna ny beny tanana
  Notanterahana ny asabotsy faha 5 mars 2016 lasa teo joro sorogna famerenan-kasina ny ben'ny tanana Atoa RATSIRAKA Elysée.
Raha tsiahivana, nony zava-mamoafady nataon'ireo mpiasa mitokona ka nanivaivana ny hasina maha olombelona no antony nanaovana ny joro famerenana amin'ny mahaolombelona. Raha nitomanina sy nanaovana baoritra nosaforana lamba natao vatam-paty, mihosika sy mihira sahala amin’ireny fiaretatory amin’ny fahoriana (fahafatesana) nataon’ireo andian’olona naneho ny tsy fankasitrahany amin’ny ben’ny Tanana Atoa RATSIRAKA Elysée. Nifandinika ny olona maventy amin'ny foko valo ambiny folo (18) monina eto Toamasina, ny Tangalamena, ny Vavan-jaka, ny dimby razana ka namolavola sy nanatanterahana ny joro tamin'ny omby lahy mazava loha noentina namerenana ny hasina mahaolmbelona.
Nangatahina tamin'ny ZANAHARY sy ny RAZANA ary ny Hasin’ny Tananan’ny Toamasina izany. Notenenina tamin’ny joro sy tamin'ny rasavolagna natao fa izay minia mamerina ny zavatra toy nitranga ireny dia ampiharina aminy ny sazy ara-drazana ka rehefa tsy mandoa ny sazy dia arohy ambody fisokina nanoloana ny lampan’ny Tanana ka teo amin’ny FISOKI-DRAZAGNA no nanatanterahana izany.
 
(121) VAVIROA Marcelline : 05-03-2016 - 19:02

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image