Rue Rolland Garros Toamasina 501


Toujours plus de nouveaut?s !


des informations et des actualités


   
  Fanjonona
  Fampifitaovana avy amin’ny Ambatovy
  Tetsy amoron-dranomasina canada, ny faha 27 jolay 2016 no natolotra hoan'ireo mpanjono mivondrona ao anatin’ny fikambanana 5 mpanjono ireo fitaovam-panjonona miisa sy misokajy toy izao : salotraina 80, harato 160 sy ireo kojakoja miaraka amin'izany ary vata fampangatsahana 16. Miodidina 10,5 tapitrisa ariary ny tetibidy ireo fitaovana natolotra ho an’ny fikambanana 5, izay ahitana mpanjono miisa 120, mizara amin'ny fokontany Ambodisaina Ivondro sy Analakininina.
Tafiditra anaty fandraisana anjara ataony orinasa Ambatovy amin'ny fampandroana ara-toekarena sy ara-tsosialy ataony amin'ny fiaraha monina manodidina sy voakasik'ny tetikasa.
 
(130) VAVIROA Marcelline : 01-08-2016 - 13:11

  Vaksiny "AstraZeneca"
  Misokatra ho an'ny rehetra ny fanaovam-baksiny
  Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny eny amin'ny faritra rehetra, nilaza moa ny Filoham-pirenena fa efa miparitaka manerana ny nosy izany, nomarihiny tsara fa tsy atao an-katerena ny fanaovana izany fa an-tsitra-po.
 
(224) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 10:30....Lire la suite

 

  CISCO Toamasina I
  Nizara DLM 221 isa
  Hoan'ny CISCO ny Toamasina voalohany dia efa nisy roa herinandro izay no niverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra rehetra na miakina na tsy miankina amin'ny fanjakana. Na izany aza anefa dia tsy tokony variana ny amin'ny fanarahana ireo fepetra sakana rehetra ny tsirairay.
 
(223) S.Lantomalala : 01-06-2021 - 09:30....Lire la suite

 

  Fetin'ny reny
  Niarahaba ny reny rehetra i Ramatoa vadin'ny ben'ny tanana
  Ny alahady 30 may 2021 no daty nankalazana ny fetin'ny reny. Niarahaba manokana ny reny rehetra i Ramatoa Mélise Rakotonirina vadin'ny ben'n tanana ny Toamasina voalohany.
 
(222) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 10:00....Lire la suite

 

  Lahatenin'ny Filoha
  Misokatra ny lalana manerana ny nosy
  Nanao valandresaka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny omaly alahady 30 may 2021.
 
(221) S.Lantomalala : 31-05-2021 - 09:00....Lire la suite

 

Nom de l'image